PolitikaSongadim-baovao

FANDRAISANA HO MPIASAM-PANJAKANA: Hatao lohalaharana ireo mpiasan’ny Fahasalamana, mpampianatra, mpitandro filaminana

Ho fanatsarana ny fitantanana sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka dia nanapa-kevitra ny Filoha fa miato ny fampidirana ho mpiasam-panjakana amin’ny sehatra hafa. Ho lohalaharana kosa ny fandraisana mpiasam-panjakana amin’ny sehatry ny fahasalamambahoaka, ny fampianarana sy ny mpitandro ny filaminana. Araka ny fanazavany dia nolavina ny fangatahana fampidirana ho mpiasam-panjakana 240 tao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika mba hanomezan-danja ireo sehatra hafa tena mila izany. Hifantohana amin’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ny Paramedy, ny mpitsabo sy ireo mpampianatra FRAM ny Fanjakana manomboka izao, hoy hatrany ny Filoha. Hampitomboina ihany koa ny tetibola ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka.

Hanokana 50 tapitrisa dolara

Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny CTC-19 tao Fianarantsoa omaly koa no nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa hisy ny tetibolam-panjakana manokana mitentina 50 tapitrisa dolara hahafahana manisy fitaovana « Scanner » sy « générateur d’oxygène » ireo hopitaly rehetra isaky ny distrika sy ireo hopitaly eny anivon’ny renivohi-paritany rehetra eto Madagasikara mandra-pifaran’ny fe-potoam-piasany. Fotoana izay nanambarany fa manampy betsaka amin’ny fiatrehana ny aretina COVID-19 ny fanamboarana ireo hopitaly manarapenitra nandritry ny fitondrana Tetezamita. Kanefa, isany mason-tsivana hamaritana fa manarapenitra ny hopitaly ny fananany “générateur d’oxygène” sy ny “scanner”. Manamora ny fanomezana ny oxygène ny marary ny fisian’ny générateur d’oxygène, araka ny fanazavana. Tsy mila mampiasa ny tavoahangy oxygène intsony koa rehefa misy ny “générateur d’oxygène”. Eo anatrehan’izany, nanome toromarika ny tomponandraikitry ny hopitaly nasiana ireny fitaovana ireny ny Filoha mba hikojakoja izany. Ary hisy ny tombana hataon’ny Filoha amin’izany.

Misokatra ny CTC-19 ao Fianarantsoa

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny CTC -19 tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa – Faculté de Médecine- ao Andrainjato ihany koa ny Filoha omaly. Fanapaha-kevitra izay noraisiny manoloana ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny aretina Covid-19 sy ahitana ny soritraretina any an-toerana. Nilaza ny Filoha nandritra ity fotoana ity fa mahatsapa ny ezaka ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Noho izany, efa nisy ny fitondrana « prime spéciale » ho an’ireo mpiasan’ny Fahasalamana rehetra mandray anjara amin’ny ady amin’ny Covid-19. Nahazo ny anjarany tamin’izany ireo miasa ao amin’ny Hopitaly manarapenitra, ny CHU Antanambe sy ireo eo anivon’ny CSB. Ilaina ihany koa ny fitaovana hahafahana miady amin’ny aretina ka nitondra “concentrateurs d’oxygène” miisa 90 sy tavoahangina oxygène ho an’ny CTC-19 Fianarantsoa ny Filoha. Manampy izany ireo fanafody isan-karazany ho fitsaboana ny aretina, izay maimaimpoana avokoa. Hozaraina ny CVO + koa ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra izay hahafahana manampy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Nisitraka ny tohaina avy amin’ny Filoha mivady kosa ireo marary tahaka ny tany amin’ny CTC hafa. Hahazaka marary miisa 120 ity CTC-19 ao Fianarantsoa ity. Nanolotra fanampiana concentrateurs d’oxygène miisa 5 ho an’ny Centre Diocèse de Santé Ambatomena sy 5 hafa ho an’ny Sampana Loterana Fahasalamana ihany koa ny Filoha.

Fermer