Songadim-baovaoSosialy

FAMPIANARANA TEKNIKA: Eny amin’ny LTP Ampasapito no hianatra ny mpianatry ny LTP Alarobia

Manoloana ny fanovana ny LTP Alarobia ho lasa CTC-19 amin’izao ankatoky ny valanaretina izao dia hafindra vonjimaika eny amin’ny LTP Ampasapito ny mpianatra tokony hianatra ao an-toerana. Miroso amin’ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana ihany koa ny Minisitera mpiahy ankehitriny.

Hiverina an-tsekoly amin’ny Alatsinainy 10 May ho avy izao ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana rehetra CFA, CAP, BEP ary BACC Pro amin’ireo lisea Teknika ao anatin’ny Faritra mikatona toa an’i Sava, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Anosy ary ny Faritra Analamanga, araka ny fanazavana avy amin’ny Minisitera misahana ny fampianarana teknika. Fantatra, araka izany, fa hisy fandaminana manokana atao amin’ireo mpianatra etsy amin’ny LTP Alarobia, noho ity toerana ity navadika ho CTC ho an’Antananarivo Renivohitra manoloana ny firongatry ny valanaretina covid-19. Nanambaran’ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa Tsikel’Iankina Ernest fa ny LTP Ampasapito no toerana handraisan’ireo mpianatra ireo mba ahafahany manohy indray ny fianarany. Nohamafisiny fa misy lamina manokana tsy maintsy napetraka eny an-toerana mba handrindrana ireto mpianatra ireto. Anisan’izany ny famerana ny isan’ny mpianatra ho 25 isaky ny efitrano fianarana, eo ihany koa ny fandrindrana ny ora fidirana sy firavana ary ny fakan-drivotra hisorohana ny fitangoronana be loatra. Nantitranteriny hatrany fa tsy maintsy manao ny fomba rehetra hiarovana ireto mpianatra ireto eo anatrehan’ny fiparitahan’ny covid-19 ny Fanjakana. Hamafisina ny fiarovana sy ny fihetsika sakana entina misoroka izany, hoy ny tenany. Hofendrahana fanafody matetika ihany koa ireo toeram-pianarana sy ny faritry ny sekoly, araka  ny nambarany hatrany.

Hatsaraina ny taranja siantifika

Ny taona fahatelo na ny 3eme année ihany hatreto no afaka hiverina hamonjy ny lakilasy, araka ny fampahafantarana nataon’ny Filoham-pirenena nandritra ny valandresaka nitafany tamin’ny vahoaka ny Alahady lasa teo. Nambaran’ny Minisitra Tomponandraikitra fa nasiana fanamboarana ihany koa  ny fandaharam-pianarana tamin’ity taona ity, noho ny lesoka hita sy ny valanaretina. Hatsaraina ireo taranja siantifika izay latsaka be tamin’ny taon-dasa ary hita taratra hatreny amin’ny ambaratonga ambony izany, araka ny fanazavana hatrany. Nanao antso ho an’ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReny ihany koa ny tenany ny hanohizana hatrany ny fampianarana ampitain-davitra eo amin’ny tambajotra sosialy  na « réseaux sociaux pédagogique ». Hentitra ny Minisitra raha nilaza fa tsy azo atao ambanin-javatra  ny fanarahamaso sy ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana eny anivon’ireo toeram-pianarana ireo, indrindra fa ny fanaovan’ireo mpianatra ireo ny arotava amin’ny tokony ho izy.

Fermer