PolitikaSongadim-baovaoToekarena
RAHARAHA VOLAMENA 73,5KG : Nolavina ny fahazoana fahafahana vonjimaikan’ireo telo lahy any Afrika Atsimo
Mbola raharaha mitana ny sain’ny maro hatramin’izao ny mahakasika ny fivoaran’ilay raharaha volamena 73,5kg, tratra sy nogiazina ao Afrika Atsimo. Omaly, nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy fa mbola mitohy hatrany ny fifampiraharahana amin’ny Fanjakana Afrikana Tatsimo sy ny Fanjakana Malagasy amin’ny fampodiana eto Madagasikara ireo volamena 73,5 kilao voatazona any Afrika Atsimo sy ireo telo lahy nanondrana azy an-tsokosoko
Ny 4 Mey 2021 teo indray no nisy fotoam-pitsarana tao Afrika Atsimo mahakasika ireo telo lahy tratra nitondra ireo volamena 73,5Kg avy eto Madagasikara. Nandritra izany, fantatra fa nolavin’ny Fitsarana Afrikana Tatsimo ao Kempton Park ny fangatahana fahafahana vonjy maika arahina antoka (demande de liberté sous caution) nataon’izy telo lahy, araka ny didy izay nivoaka tamin’io andro io. Tsara marihana fa didy farany nivoaka io taorian’ireo fanemorana maro nifanesy voalaza tamin’ny fanambarana tany aloha. Ny anton’izany fandavana izany dia noho ny fisian’ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy ny hampodiana azy telo lahy ireo izay efa eo andalam-pandinihana eo anivon’ny Fanjakana Afrika atsimo, eo ihany koa ny vesatry ny heloka iampangana azy ireo aty Madagasikara, sy ny fahatsapan’ny Fitsarana fa tsy azo ametraham-pitokisana izy ireo ka ahiana mafy ny handosirany hivoaka ny sisintanin’i Afrika Atsimo raha omena fahafahana vonjy maika, ary farany dia noho ny fahatsapan’ny Fitsarana fa manohintohina ny filaminana anatiny ny heloka iampangana azy ireo, araka ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Fampodiana an-tanindrazana azy telo lahy
Mikasika ny fandinihana ilay fangatahana ny fampodiana an-tanindrazana azy telo lahy ireo kosa (demande d’extradition) dia nomarihin’ny Minisitera tomponandraikitra fa misy ny dingana maromaro izay tsy maintsy andalovana amin’izany, araky ny lalàna manankery any Afrika Atsimo. « Koa rehefa avy nanaiky ny handinihana ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy ny Minisitry ny Fitsarana Afrika Atsimo dia fantatra fa nankatoavin’ny Filohan’ny Repoblikan’ny Afrika Atsimo izany fandinihana izany », hoy ny fanambarana. Ny dingana manaraka dia ny fandinihan’ny Fitsarana Afrika Atsimo ny amin’ny hanekena na tsia ny fampodiana ireo telo lahy voampanga, araka ny fehin-kevitra naroson’ny Fanjakana Malagasy. Manaraka akaiky ireo dingana ireo ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Masoivohon’i Madagasikara any an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana.
Fampodiana an-tanindrazana ireo volamena
Mbola mampametra-panontaniana ny maro koa ankehitriny ny mikasika ny fangatahana fampodiana ireo volamena nogiazana kosa dia mbola mitohy ny fifampiraharahana eo amin’ireo tompon’andraikitra Malagasy sy Afrikana Atsimo. “Ankoatran’ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy dia mbola voampanga eo anatrehan’ny Fitsarana Ambony ao Afrika atsimo ihany koa izy telo lahy noho ny fandikana ny lalànan’ny fadin-tseranana sy ny hetra any an-toerana. Efa resy teo anatrehan’ny Fitsarana Ambony tao Afrika Atsimo izy telo lahy miaraka amin’ny orinasa Parpia Gold and Jewels Trading LLC izay nitonona ho tompon’ny volamena sy mpampiasa azy ireo”, hoy ny fampitam-baovao. Tsy neken’io Fitsarana Ambony io ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fisamborana azy telo lahy sy ny hamerenana amin’ity orinasa ity ny volamena nogiazana tany Afrika Atsimo.
Nanome toky ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny omaly fa mitohy hatrany ny fifampiraharahana amin’ny Fanjakana Afrikana Tatsimo sy ny Fanjakana Malagasy amin’ny fampodiana eto Madagasikara ireo volamena 73,5 kilao voatazona any Afrika Atsimo sy ireo telo lahy nanondrana azy an-tsokosoko, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Raharam-bahiny izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika.
Nangonin’i LR.



