PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY COVID-19 : Hanomboka anio ny fanaovam-baksiny, lafin-javatra maro no tsara ho fantatra

250 000 isa. Io no tontalin’ny vaksiny Covishield andiany voalohany azontsika. Ny sabotsy 8 mai 2021 teo no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny ivato ireo andiany voalohany ho an’i Madagasikara avy amin’ny Initiative COVAX ireo. Anio 10 May 2021 no hanomboka ny fanaovam-bakisiny. Any ivelany anefa, betsaka amin’ireo Firenena efa nahavita nanao vakisiny ny mponina ao aminy no ahitana fiakaran’ny taham-pahavoazan’ny covid-19 indray. Misy koa ireo mitaraina noho ny vokatry ny “effet secondaire”. Inona no tena marina manodidina ity vaksiny ity ?

Nigadona ny sabotsy maraina teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny zotram-piaramanidina nitondra ireo vaksiny andiany voalohany « 250.000 doses » nafaran’ny Fitondram-panjakana Malagasy avy amin’ny mekanisma COVAX.

Nitsena ny Vaksiny ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Tonga nitsena izany teny an-toerana ny Delegasiona avy amin’ny Fitondram-panjakana izay notarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy Andriamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva ary Ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro, Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika notronin’ireo Diplômaty vahiny miasa sy monina eto amintsika.

Hanomboka anio, noho izany, ny fanaovam-baksiny manerana ireo Distrika rehetra manerana ny Nosy. Efa  misy   sokajin’olona manokana entanin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana amin’izany, dia ireo mpiasan’ny Fahasalamana, ireo mpitandro filaminana, ireo olona 70 taona no ho mihoatra, ireo olona manana aretina mitaiza toy ny diabeta sy tosidrà avo, ary ny mpanao asa sosialy. Eny amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra, miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, no misoratra anarana. Eny amin’ny Biraon’ny Holafitra isanisany kosa ho an’ireo mpiasan’ny Fahasalamana mpikambana, eny anivon’ny Kaominina ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona. Ho an’ny mpitandro filaminana, eny anivon’ny fitaleavana misahana ny mahaolona sy ireo rantsamangaikany any amin’ny Faritra sy Distrika no misoratra anarana. Eny anivon’ireo toeram-pitsaboana fototra kosa no hanaovana izany ho an’ireo olona manana aretina mitaiza, toy ny Diabeta sy tosidrà avo. Ary eny anivon’ny Amadia izay akaiky indrindra kosa ho an’ireo olona mpikambana sy manaraka fitsaboana ao aminy. Tsara ho fantatra fa efa anivon’ny Hopitaly sy ireo toerana voatokana ho amin’izany ihany ny fanaovana vaksiny.

Ravalomanana sy ny ekipany

Ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagascara na RMDM sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no isan’ireo nitaky voalohany ny hidiran’i Madagasikara anatin’ny initiative COVAX eto amintsika. Ny 19 Martsa 2021 dia nandefa taratasy ho an’ny mpandrindra maharitry ny ny asan’ny firenena mikambana eto Madagasikara izy ireo. “Raisiko ho voninahitra ny manoratra ity ho anao” hoy Marc Ravalomanana tao anatin’io taratasy io “mba hanaitra anao ny amin’ny tokony hisian’ny fanaovam-baksiny amin’ny ady atao amin’ity valan’aretina ity, sy ny hangataka ny fanampianao an’i Madagasikara hahazo ny vaksiny amin’ny alalan’ny alliance COVAX ». Fangatahana izay nohamafisin’ny fanambaran’ny RMDM ny 30 martsa 2021, ary ataon-dry Me Hanitra Razafimanantsoa sy Fidele Razara Piera ambetin-dresaky ny fandaharana “Miara-manonja” saiky isan’andro. Fantatr’izy ireo tsara anefa fa ny “AstraZenaca” izay vokarina any Inde ary mitondra ny anarana hoe “Covishield” ihany no omen’ny mecanisme Covax na aiza na aiza.

Tsy manery ny Fanjakana, manohy manara-maso

Na tonga aza ny vaksiny, tsy mbola niova ny hevitry ny Fitondram-panjakana momba ny vaksiny iarovana amin’ny COVID-19 : manohy ny fanaraha-maso ny fahombiazan’ireo vaksiny na tsia. Nanamafy izany ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana tsy hanery ny olona hanao vaksiny. “Vaccination ciblee” no hatao hoy ny Filohan’ny Repoblika nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety farany nataony ny alahady 2 mai 2021, ka “ireo maniry ny hatao vakisiny ihany no hatao”. Tsy misy arak’izany ny fanerena ny olon-drehetra hanao vaksiny na ny “vaccination de masse”. Raha ny fanampim-panazavana hatrany dia fitandremana no antony. Ary mbola io fitandremana io ihany koa no nahatonga ny Fitondram-panjakana namaritra fa “ny Fitondram-panjakana irery ihany no mahazo manafatra vakisiny”.

Tontosa indroa miantoana ny fihaonana teo amin’ny Filoha sy ireo siantifika.

Tolo-kevitry ny Akademiam-pirenen’ny Mpitsabo

Teo anoloan’ireo fangatahana vaksiny ataon’ny mpanao politika sy ny fiaraha-monim-pirenena, na koa olon-tsotra, dia naka ny hevitry ny manam-pahaizana amin’ny lafiny fitsaboana ny Fitondram-panjakana. Nandefa taratasy ho an’ny akademia nasionalin’ny mpitsabo ny Filoham-pirenena. Nangataka ny hevitr’izy ireo momba ny fomba hitantanana ny ady atao amin’ny aretina Covid 19, fa indrindra momba ny vakisiny. Nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’izy ireo ihany koa. Indroa miatoana ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Filoham-pirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny akademia nasionalin’ny mpitsabo, ka taorian’izay fihaonana izay no nanapahana ny hampidirana ny vaksiny eto Madagasikara.

Vaksiny efatra karazana amin’ireo misy maneran-tany no natolotry ny akademia nasionalin’ny Mpitsabo ny fitondram-panjakana, dia ny Pfizer, izay vakisiny novokarin’ny laboratoara sy ny ozinina mpamokatra fanafody amerikana antsoina hoe BioNTech/Pfizer, ny Sinopharm, izay vokarin’ny Sinoa ary vao haingana no nankatoavin’ny OMS ny fahafahana mampiasa azy hiatrehana ny Covid, ny vakisin’ny Johnson&Johnson, antsoina hoe Jannsen, ary ny Covishield, izay tsy hafa fa ny AstraZeneca ihany.

Covishield na Astrazeneca

Ny “Covishield” dia anarana hafa iantsoana ny “Astrazeneca”. Voka-pikarohan’ny oniversite an’i Oxford sy ny orinasa mpamokatra fanafody AstraZenaca ity vakisiny ity. Toy ny fanaon’ny orinasa mpamokatra fanafody maneran-tany dia nividy ny fahazoan-dalana hamokatra ny Astrazenaca, ny orinasa Indiana “Verity Pharmaceuticals” sy ny “Serum Institute of India”, ka Covishield no anarana nampitondrain’izy ireo azy. Ny Covishield avy eo no aparitak’ilay alliance COVAX maneran-tany, indrindra aty Afrika.

Tafiditra tao anatin’ireo andiany voalohany tonga ny Covishield.
Araka izany, mitovy ihany ny singa mandrafitra ny Vaksiny AstraZeneca vokarin’ny orinasa mpamokatra fanafody AstraZeneca, sy ity Vaksiny Covishield. Toy izao manaraka izao àry ireo singa mandrafitra ity karazam-baksiny ity • Ingrédients médicinaux; o Vecteur viral à adénovirus • Ingrédients non médicinaux o acide éthylènediaminetétracétique (EDTA) o éthanol o L-histidine o chlorhydrate de L-histidine monohydraté o dichlorure de magnésium hexahydrate o polysorbate 80 o chlorure de sodium o saccharose o eau pour injection

Mécanisme Covax ?

Mpiara-miombona antoka maro no tonga nitsena ny Vaksiny ny Sabotsy teo.

Ny « Covax » dia karazana fandaharanasa, miara-miasa amin’ireo orinasa lehibe mpamokatra Vaksiny eran-tany. Ny Rafitry ny Firenena mikambana momba ny Fahasalamana, ny fikambanana momba ny fanatsarana ny fiomanana amin’ny fiatrehana valanaretina (CEPI), ary ny Alliance GAVI no miara-mitantana ny Covax. Ity farany izay hany tokana fandaharanasa eran-tany miara-miasa amina Governemanta sy amina mpamokatra Vaksiny, misehatra amin’ny fahazoan’ny firenen-drehetra maneran-tany Vaksiny, na Firenena mandroso na andalam-pandrosoana. Dikany, eo anatrehan’ireo Vaksiny samihafa ao anatin’ny Covax, ireo rafitra telo mitantana ireo no mamaritra sy manapaka izay Vaksiny alefa amin’ny Firenena iray, miankina amin’izay Vaksiny misy ao aminy. Izany hoe, ny Firenena manafatra Vaksiny ao amin’ny fandaharanasa Covax dia tsy afaka misafidy izay vaksiny omena azy, fa miankina amin’ny lamina apetraky ny eo anivon’ny Covax.

Mbola baraingo ny fahombiazany, maneho tranga tsy ampoizina

Tale jeneraly misahana ny fisorohana ara-pahasalamana, ny Dokotera Randriatsarafara Fidiniaina Mamy

Araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly misahana ny fisorohana ara-pahasalamana, ny Dokotera Randriatsarafara Fidiniaina Mamy, maneho tranga tsy ampoizina na tsy iriana ity vaksiny ity rehefa ampidirina amin’ny vatana. Tsy voatery midika ho tsy fahombiazan’ny vaksiny anefa izany fa fambara amin’ny fiasany. Araka izany, rehefa hatao an’io vaksiny io ny olona iray, dia mety hisy soritraretina vitsivitsy toy ny aretin’andoha, manakotsako vatana, mandoa kely, ary mety marary eo amin’ny faritry ny vatana natao tsindrona, mety hisy hafanana ihany koa mandritra ny roa na telo andro. Misy anefa ireo karazam-panafody fanalana fanaintainana, ary efa mivonona ho amin’izany ny Fitondram-panjakana, raha ny voalaza.

Araka ny tatitra navoakan’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny Fahasalamana (OMS), mahakasika ny Vaksiny Covishield ny 28 Marsa 2021 lasa teo, dia nanodidina ny 63% ny taham-pahombiazan’ity Vaksiny ity amin’ireo olona tsy mbola nitondra ny tsimokaretina ka nanao azy. Ny toro azon’ny manam-pahaizana avy eo anivon’ny OMS kosa anefa, tetsy ankilany, dia arakaraka ny elanelam-potoana hanaovana ny fatra voalohany sy ny fatra faharoa ihany koa no mampitombo na mampihena ny taham-pahombiazan’ny Covishield. “81,3% ny fahombiazany raha toa ka manodidina ny 12 herinandro ny elanelana misy eo amin’ny fanaovana ny fatra voalohany sy ny fatra faharoa”, hoy ny tatitra. Noho izany, ireo siantifika samihafa maneran-tany dia mampirisika ny anelanelanana ny fatra voalohany sy ny fatra faharoa eo amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 herinandro eo ho eo.

Tsiahivina fa tany amin’ny volana marsa tany ho any, firenena maro tao Eoropa no nanatsahatra ny fampiasana ny Vaksiny AstraZeneca/Covishield noho ny voka-dratsy naterany teo amin’ireo olona notsindronina azy. Naresaka be tamin’izany fotoana fa nampivaingana ra ity karazam-baksiny ity. Ho an’I Inde manokana, izay mbola ahitana trangana Covid-19 mampivarahontsana indrindra maneran-tany hatreto, dia lasa takon’ny vaksiny Covaxin indray ny Covishield, izay vokarina ao an-toerana ihany. Araka ny nambaran’ny orinasa mpamokatra fanafody Indianina Bharat Biotech, dia nahitam-pahombiazany  hatrany amin’ny 81%, ity Vaksiny Covaxin ity.

Fermer