Songadim-baovaoSosialy
COVID-19: 298 tamin’ireo 378 sitrana tao anatin’ny 24ora no nampiasa CVO
378. Io indray ny fitambaran’ireo sitrana tamin’ny Coronavirus tao anatin’ny 24ora, araka ny tatitra nivoaka omaly. Ny fanadihadiana manokana natao no nahafantarana fa nanaraka ny fitsaboana tamin’ny alalan’ny CVO ny 298 tamin’ireo sitrana ireo, ary teto Analamanga avokoa ny 295 tamin’izany.Hatreto, tafiakatra 36 639 ireo efa sitrana tamin’ny Covid-19 teto amintsika.
Ekena fa misy ireo mpiray tanindrazana lavon’ny Coronavirus eto amintsika, ary saika isanandro dia mbola misy hatrany izany, araka ny tatitra. Etsy ankilany anefa, toa iniana tsy resahina kanefa dia maro koa ireo olona nitondra ity tsimokaretina ity izay efa sitrana soa aman-tsara. Hatreto, tamin’ireo olona miisa 39 351 izay voamarina fa nitondra ny Coronavirus, fantatra fa ny 36 639 tamin’ireo no sitrana soa aman-tsara. Izany hoe, ambony ny taham-pahasitranana eto amintsika, raha mitaha amin’ireo Firenen-kafa. Ho an’ny omaly manokana, nilaza ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa niisa 378 ireo sitrana tao anatin’ny 24ora farany. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa olona nanaraka fitsaboana tamin’ny alalan’ny CVO ny 298 tamin’ireo, ary teto Analamanga avokoa ny 295 tamin’izany, 3 kosa tany Betsiboka. Tsara ho fantatra fa tafiditra ao anaty fomba fitsaboana ny Covid-19 eto amintsika ny fampiasana ny CVO, izay efa misy amin’ny endriny Gélules ankehitriny.
210 ireo “formes graves” eto Antananarivo
Miisa 284 ireo marary mbola maneho ny tranga misy fahasarotana, araka ny tatitra navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka omaly. Araka ny fanadihadiana nataonay, eto Antananarivo avokoa ny 210 tamin’ireo “formes graves” ireo. Tsara ho fantatra fa mbola miisa 1 980 hatreto ireo olona mbola manaraka fitsaboana amin’ity tsimokaretina ity. Dikany, mba tsy hitomboan’ny tranga vaovao sy ireo manaraka fitsaboana dia entanina hatrany ny tokony hanamafisan’ny rehetra ny fampiharana ireo fepetra sakana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.
Nivoitra tamin’ity tarehimarika ity ihany koa fa nahatratra 600 ny fitiliana natao ka ny 189 tamin’izany no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ary ny 110 tamin’ireo dia avy eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra no nahitana ny 66 tamin’ireo olona ireo, raha toa ka 24 no teny Atsimondrano, enina kosa no voaporofo teny amin’ny Distrikan’Avaradrano ary ny 14 no avy eny amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo. Olona telo ihany koa no nambaran’ity tatitra ofisialy ity fa lavon’ny valanaretina covid-19. Mila mitandrina hatrany ny rehetra araka izany fa misoko mangina ny coronavirus.
Sata (mpianatra asa) sy ny LR.



