Songadim-baovao
Taorian’ny fanaovana hazalambo : Maty voatifitry ny zandary i Del Kely mpaka an-keriny ikoizana
Tsy afa-bela teo anatrehan’ny zandary ilay jiolahy mpaka an-keriny ikoizana antsoina hoe i Del Kely, omaly maraina. Voatifitry ny zandary teo amin’ny feny izy, rehefa nandeha ny fikarohana azy tao Ambohibolakely, Kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, distrikan’i Moramanga. Nentina teny amin’ny Hopitaly izy, saingy raha ny vaovao farany, dia namoy ny ainy, omaly hariva…

Ela ny ela, voasambotra omaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina tao Ambohibolakely, Kaominina ambanivohitra Morarano Gara, distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, ilay jiolahy mpaka an-keriny sy mpampihorohoro tao anatin’ny Faritra Betsiboka sy Faritra Analamanga ary Faritra Alaotra Mangoro, antsoina hoe : i Del Kely. Ireo Zandary mpampandry tany, izay nanao hazalambo azy hatrany Anjozorobe, notarihin’ny Jly Rakotondrazaka Andry, kaomandin’ny Fari-piadiadian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo sy ireo zandary tany an-toerana no nahasarona azy, izay avy amin’ny alalan’ny fahazoana angom-baovao marim-pototra. Efa voasambotra koa ny olona efatra hafa mpiara-dia aminy, ka vehivavy ny iray. Tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohibolakely, ao anatin’ny Kaominina ambanivohitr’i Morarano Gara, no sarona ireo olon-dratsy ireo.
24 km ao avaratr’i Moramanga manaraka iny lalam-pirenena faha-44 mankany Alaotra iny no misy io Fokontany io. Efa tsikaritry ny mponina tany an-toerana ny fisian’ilay vehivavy, izay tazana nividy sakafo. Hatry ny omaly, efa tonga tany Moramanga ny zandary avy aty Antananarivo, mba hanatanteraka ny fisamborana, izay niafara tamin’ny fitifirana ity jiolahy mpaka an-keriny sy mpampihorohoro ity, izay voa teo amin’ny feny. Mbola notsaboina tao amin’ny Hopitalin’i Moramanga izy, araka ny loharanom-baovao, saingy tsy tana ny ainy, omaly hariva, tamin’ny 6 ora sy fahefany.
Tsy maintsy ho tratra…

Efa nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana nataon’ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo, nitsirika sy nanao tombana ifotony ny hetsika fampandrian-tany, ny talata lasa teo. Nidina tany Ambongamarina, toerana nisamborana ireo mpiray tsikombakomba amin’i Del kely miisa telo, ka nahafahany nifampizara vaovao tamin’ireo zandary sy ireo tomponandraikitra tany an-toerana, io manamboninahitra jeneraly io. Nasongadiny tamin’ny fampitam-baovao fa mihatery ny lalan-kalehan’i Del kely nanomboka teo. Rehefa nandeha ny fikaroham-baovao fanampiny, izay fantatra ny toerana niafenany.
Nokarohina nandritra ny taona maro ity Del Kely ity, noho ny heloka bevava vitany, amin’ny asa fakana an-keriny. Hatrany Tsaratanana ao anatin’ny Faritra Betsiboka sy Alaotra-Mangoro ary Analamanga no fanaovany ny asa ratsiny miaraka amin’ireo namany. Efa nisy fotoana nifanenjehana izy tany Maevatanana, ny taona 2019, saingy izao izy vao tra-tehaka. Rakotoarivelo Fanomezantsoa Atlas no tena anarany. Teraka ny 2 janoary 1984 tao Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo. Jiolahy nikoizana fatratra sy mpampihorohoro, efa nokarohina ela izy.
Fankasitrahana mitentina 20 Tapitrisa Ar
Araka ny teny fampanantenana avy tamin’ny Fitondram-panjakana, izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina, ho tolorana ireo zandary sy ireo izay nahazoam-baovao nahatrarana azy ny lelavola fankasitrahana mitentina 20.000.000 Ar. Toraka izany koa, ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) dia nanolotra lelavola mitentina 2.000.000 Ar ho an’ireo maherifo ireo. Ankoatra lelavola fankasitrahana. Homena fankasitrahana arakasa koa ireo zandary nahazoam-bokatra, dia ny « primes de bravoure » sy « bonus d’ancienneté en port de grade » ary ny « lettre de félicitation ». Mampirisika ny fitohizan’izao ezaka tsara sy matihanina toa izao, ny Fitondram-panjakana, mba hilaminan’ny vahoaka ho afaka hihary am-pitoniana. Mbola mitohy ny hazalambo atao ireo namany. Mbola mipetraka ny fanamby nambara fa tsy maintsy ho tratra ireo olon-dratsy mpiaraka aminy sy izay rehetra mpiray tsikombakomba.




