Sosialy

Iadiana ny covid-19 : Nanatanteraka fanaovam-baksiny ny avy amin’ny Zandarimaria

Nisantatra ny fanaovam-baksiny ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Tale ny kabinetrn’ny Seg, omaly maraina tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava. Fantatra fa ny 99%-n’ny zandary dia nanolo-tena an-tsitrapo ho atao vaksiny avokoa, iadiana amin’ny valanaretina covid-19…

Isan’ireo nisantatra ny fanaovam-baksiny ny Seg, Jly Ravalomanana Richard.

Natomboka omaly  tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19 teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, teo ambany fiahian’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Nisantatra izany ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) sy ny Jeneraly Tale kabinetran’ny SEG ary ireo Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria. Araka ny hita teny an-toerana, mandalo fitsapana hafanana aloha ny olona natao vaksiny, ary misy ny fanadihadiana ara-pahasalamana. Aorian’izay, miroso tanteraka amin’ny fanaovam-baksiny. Vita ny fanatontosana izany,  misy ny karne manamarika ny fahavitana vaksiny omena ireo olona vita. Nisaoran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard ny Filohan’ny Repoblika, ny amin’ny fitsinjovana ny vahoaka malagasy. « Misaotra ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fitsinjovana ny vahoaka entiny. Efa nisy ireny CVO ireny, dia izao tonga izao indray ny vaksiny. Misaotra ny minisitry ny Fahasalamana sy ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra miaro ny vahoaka malagasy, amin’ity valanaretina ity », hoy izy nanazava. Araka ny antontanisa voaray, ny 99% ireo zandary dia nanolo tena  an-tsitrapo handray izany vaksiny izany. Vinavinaina ho vita vaksiny avokoa ireo zandary nanaiky izany manerana ny Nosy, ao anatin’ny iray volana.

Omaly ihany, efa nahatontosa ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19 ireo zandary miasa ao amin’ny CIRGN Ankadilalana Antananarivo. Nisy ny fitsapana maripana sy « tension » mialoha izany ary izay manana maridrefy ara-dalàna no azo natao vakisiny. Nanambara moa ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara, Kaomandin’ny CIRGN Antananarivo fa « ny fanaovana izao vaksiny izao dia ho fiarovana lehibe eo amin’ny ankohonana, ny namana sy ny mpiara-miasa, ary indrindra ny fanatontosan’ny zandary miasa sy miantsehatra amin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao ».

590 ireo zandary sy fianakaviana zandary voa

 

Tonga nanotrona ny Zandarimaria ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Marihina koa fa tafakatra 590 ireo zandary sy fianakaviana zandary ary mpiasa sivily efa voan’ity areti-mandoza ity nandritra ity taona 2021 ity. Nahatratra 11 ireo namoy ny ainy. Ny 173 kosa,  efa sitrana raha ny 406 hatreto, mbola manaraka fitsaboana sahaza, ka ny 215 amin’ireo dia miandry ny valim-pitiliana. « Andiany faharoa izao fanaovam-baksiny izao, raha ireo Mpiasan’ny fahasalamana no nisitraka izany voalohany », hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Jean Louis Hanitrala. Goavana ny andraikitra ankinina amin’ny Zandarimariam-pirenena manoloana ny ady atao amin’ny valanaretina coronavirus. Ireo Zandary miantsehatra mampanaja ny fepetra sakana eny amin’ny lalam-pirenena sy anaty tanàna ary toerana, izay feno vahoaka dia tsapa fa manolotra ny ainy tokoa hiarovana ny mpiray tanindrazana. Nasongadiny fa  anisan’ny lohalaharana mifampikasoka amin’ny vahoaka izy ireo ka rariny loatra raha mandray ny vaksiny entina hiarovan-tena.

Fermer