PolitikaSongadim-baovao

PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN: “Tsy misy olana na dia kely aza eo amiko sy ny Filoha”

Fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta nandritra ny fandaharana nataony omaly ny mahakasika ny fifandraisany amin’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny. Nahitsy, ary tsy niolakolaka ny Praiminisitra Ntsay Christian nilaza fa tsy misy olana eo aminy sy ny Filoha Andry Rajoelina, fa tsy maintsy misy kosa, hoy izy, ny fifandrindrana asa, araka izay voafaritry ny Lalàmpanorenana.

Anisany voaresaka nandritra ny tafa nataon’ny Praiminisitra tamin’ny Vahoaka malagasy omaly ny mahakasika ny raharaham-pirenena eto amintsika ankehitriny. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia naresaka tato ho ato ny filazana fa efa misy tsy fifankahazoana eo amin’ny Lehiben’ny Governemanta sy ny Filoham-pirenena, izay tompon’andraikitra roa voalohany eto amin’ny tany sy ny Firenena. Ny mpamakafaka sasany aza efa mahatsinjo fa tsy azo ihodivirana ny fanovana Governemanta amin’izao zava-misy ankehitriny izao. Omaly, namaly izany ny Praiminisitra raha nanontanian’ny mpanao gazety. “Mahavariana ny fanaovana politika eto amintsika”, hoy izy, “satria ny andininy faha-55 ao amin’ny lalàm-panorenana, sy andininy faha-65 dia mamaritra mazava tsara ny anjara andraikitry ny Filoham-pirenena, sy ny an’ny Praiminisitra”. Fotoana izay nampahatsiahivany fa olona nofidiana ny Filoha, ny Praiminisitra kosa dia olom-boatendry nandalo fankatoavana avy  amin’ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Dikany, tsy maintsy misy fifandaminana arak’asa eo amin’ny Filoha sy ny Praiminisitra. “Tsy misy olana na dia kely aza eo amin’ny tenako sy ny Filoha”, hoy izy nanamafy. Mbola notsindriany aza fa manaja ny Filoha izy. Hitondra ny Firenena amin’ny fampandrosoana ny tanjona, hoy izy. “Ny Filohan’ny Repoblika dia mandala ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitiavana fahamarinana, izaho koa torak’izany”, hoy izy nentiny nanamafisana ny fitoviam-pijery eo aminy sy ny Filoha.

Fanovana Governemanta?

Nampahatsiahy ihany koa ny Praiminisitra fa efa nanambara ny Filoha tany amin’ny fiandohan’ny taona ny amin’ny tsy mbola hanovana ny Governemanta. Hatreto, tsy mbola nanisy resaka fanovana Governemanta ny Filoha. “Ny Filohan’ny Repoblika irery ihany no tompon’ny teny farany amin’ny Governemanta. Na ny tenako aza mbola hanaovana tombana koa”, hoy ny Praiminisitra omaly.

Nohamafisin’ity tomponandraikitra ity fa miasa ny Governemanta izay tarihiny ankehitriny. “Tsy voatery aseho amin’ny haino aman-jery daholo ny zava-drehetra”, hoy izy. Isan’ny ezaka efa mandeha ankehitriny ny fanatanterahana ny “Plan Marshall”. Ao anatin’izany ny fananganana fotodrafitrasa toy ny CHRD 12, CSB anjatony, lalana, sekoly, kianja manarapenitra mihoatra ny 30 manerana ny Nosy. Ireo rehetra ireo izay miteraka asa. Efa mandeha koa ny fanohanana ny sehatry ny fihariana. Eo koa ny fanohanana ireo orinasa vaventy, fananganana orinasa manodina fary ho siramamy, ny eo amin’ny sehatry ny simenitra. Betsaka ireo efa misitraka fiofanana maro. Etsy ankilany, tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina maro no efa vita. Ankoatra ireo, betsaka ireo asa notanisain’ny Praiminisitra izay efa mandeha ankehitriny.

Fermer