PolitikaSongadim-baovao
DISTRIKAN’I BETAFO: Sambany nahazo RNM, miverina mandeha ny TVM, 18 volana aty aoriana
Taorian’ny asa fanatsarana rehetra natao, tao amin’ny toerana misy ny TVM sy ny RNM ao Betafo, tonga nanolotra izany ofisialy ho an’ny vahoakan’i Betafo ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo, ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, 18 volana lasa izay no niato tanteraka ny fahazoan’ny vahoaka ao amin’ity distrika ity ny fandaharana rehetra mandeha amin’ny televiziona Malagasy. “Noho io antony io indrindra, ary araka ny fangatahan’ny vahoaka no nanarenana maika izany”, hoy ny Minisitra. Tsy ny TVM irery ihany anefa no efa mandeha ara-dalàna fa taona maro aty aoriana, napetraky ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa ny Radiom-pirenena malagasy, izay tsy nisy mihitsy hatramin’izay. Izany hoe, sambany no handray ny Radio Madagasikara na ny RNM ny vahoakan’I Betafo. Azon’izy ireo arahina manomboka izany ny TVM amin’ny alalan’ny canal 471.25 Mhz ary ny RNM amin’ny alalan’ny mari-drefy 88.2 Mhz.
“Amin’ny maha fihavaozana azy, namatsy ara-pitaovana ity fotodrafitrasa vaovao ity Ramatoa Minisitra. Anisan’izany ny décodeur satellite, stabilisateur, moniteur vidéo, moniteur radio, ireo karazana fitaovana ilaina amin’ny birao (tables de bureau, chaise, armoire métallique), solosaina mba ahafahan’ireo mponin’i Betafo maharaka ny vaovao, miainga avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana”, hoy ny fampitam-baovao.




