PolitikaSongadim-baovao
FIVORIANA AMPITAIN-DAVITRA: Nankatoavin’ny HCC ny fitsipika anatiny manokana laharana 003-2021/R
Namoaka ny fanapahana laharana 4-HCC/D3 omaly 17 mey 2021 ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, izay manambara fa mifanaraka amin’ny Lalampanorenana ny Fitsipika anatiny manokana izay natao handrindrana ny fivoriana ampitain-davitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Na izany aza, nisy ihany ny andininy mbola nametrahan’ny HCC ahiahy ny fifanarahany amin’izay voalazan’ny Lalàmpanorenana.
Ny Talata voalohany amin’ny volana Mey no fanombohan’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena, araka ny voalazan’ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Niavaka ny fanatanterahana izany tamin’ity taona ity satria sambany tamin’ny tantara no natao ampitain-davitra ny fivoriana. Nisy, araka izany, ny tolo-pehi-kevitra izay nodinihina miaraka teo amin’ireo Depiote mahakasika ny fanatanterahana io fivoriana ampitain-davitra io ary nalefa tany amin’ny HCC hakana ny heviny. Noho izany, namoaka ny fanapahana laharana 4-HCC/D3 omaly 17 mey 2021 ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, izay manambara fa mifanaraka amin’ny Lalampanorenana ny Fitsipika anatiny manokana izay natao handrindrana ny fivoriana ampitain-davitra. Ity fitsipika anatiny ity izay hihatra rehefa misy vanim-potoana manokana, indrindra rehefa fotoana mampirongatra valanaretina eto amin’ny firenena. Ary ny fisian’izao valanaretina Covid-19 izao no hanombohana hampiharana azy.
Fivoriana itambarambe atao ampitain-davitra
Na izany aza, nisy ihany ny andininy mbola nametrahan’ny HCC ahiahy ny fifanarahany amin’izay voalazan’ny Lalàmpanorenana, dia ny andininy faha 8. Ity farany izay manambara fa azon’ny daholobe sy ny mpanao gazety arahina ireo fivoriana itambarambe atao ampitain-davitra. Ny andininy faha 77 ao amin’ny Lalàmpanorenana anefa milaza fa “Ampahibemaso ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Tanana an-tsoratra
izany, ary havoaka ho fantatry ny besinimaro araka ny fepetra voalazan’ny lalàna”. Eo indrindra no hametrahan’ny HCC ahiahy amin’io andininy iray ao amin’io Fitsipika anatiny manokana io. Na izany aza, azo everina ny itohizan’ny fivoriana ampitain-davitra ao amin’ity andrimpanjakana ity. Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena izay nanambara tamin’ny fanokafana ity fivoriana ara-potoana ity fa tsy sitrapo na haingitrangitra ny nanaovana ny fivoriana ampitain-davitra. “Voamarina mantsy fa isaky ny fotoam-pivorian’ny parlemantera dia misy hatrany ny Depiote voan’ny valanaretina, ary nisy ireo lavo tamin’izany”, hoy ny fanazavany.




