PolitikaSongadim-baovao
FIKAONAN-DOHA ARA-TOEKARENA ANY FRANTSA: Tsy misy mampanahy ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara
Hevi-diso sy tsaho no mba tohan-kevitra nasehon’ny mpanohitra sy ireo tsy mankasitraka ny Fitondrana mijoro ankehitriny nandikana ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fikaonan-doha ara-toekarena tanterahana any Frantsa. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra anefa dia voafetra ihany ny mpandray anjara miatrika ity fihaonana ity. Ary nisy antony mazava izany fa tsy midika ho fahatapahan’ny fiarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa akory.
Notontosaina tao Paris, renivohitr’i Frantsa, omaly ny fihaonana an-tampony mahakasika ny famatsiam-bola ny toekarena afrikanina izay nokarakarain-ndry zareo Frantsay. Tanjon’ity fihaonana ity ny handrosoana vahaolana amin’ny fanarenana indray ny toekarena afrikanina eo anoloan’ny fihemorana vokatry ny krizy ara-pahasalamana Covid-19. Raha mitaha tamin’ny Kaontinanta hafa tokoa, tsy dia voa mafy ny afrikanina tamin’ny valanaretina Covid-19, saingy nizaka voka-dratsy betsaka kosa tamin’ny lafiny toekarena sy ara-tsosialy, noho ny fikatsoan’ireo fifandraisana iraisampirenena samihafa.
Araka izany, anisany antom-pisian’ny fihaonana ny hametraka fomba hahafahana mamatsy vola ny toekarena afrikanina kanefa tsy mampavesatra ny trosany ihany koa. Araka ny fanazavana voaray, Filoham-panjakana afrikanina 15 no mandray anjara amin’ny fihaonana, ahitana mpitondra Fanjakana eoropeanina ihany koa, ary ny avy amin’ny fikambanana iraisampirenena toy ny FMI sy ny BAD.
Inona no antony?
Marina fa mahakasika ny Kaontinanta Afrikanina ny fihaonana, saingy voafetra ihany ny fahafahan’ireo mpandray anjara manatrika izany. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny loharanom-baovao teo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Firenena Afrikanina miisa 13 no mibaby trosa mihoatra ny tokony ho izy amin’izao ankatoky ny valanaretina izao. Misy ireo zary lasa nanana trosa miompampana tamin’i Chine, izay isany mandray anjara rahateo amin’ny fikaonan-doha atao any Frantsa. Ankoatra izay, misy ireo Firenena afrikanina lasa marefo noho ny asa fampihorohoroana ataon’ny Boko Aram sy ny endrika fampihorohoroana samihafa. Ireo rehetra ireo no anisany mason-tsivana nahatonga ny fandraisana anjaran’ny Firenena afrikanina tao anatin’ity fihaonana an-tampony ity. Isany ho voaresaka manokana mandritra ity fihaonana ity koa ny famoahan’ny avy eo anivon’ny Tahirimbola iraisampirenena tetibola manokana mitentina hatrany amin’ny 650 miliara dolara izay hanampiana ireo Firenena marefo noho ny Covid-19. Ny 37 miliara amin’izany no vinavinaina ho azon’ny Kaontinanta afrikanina. Tafiditra ao anaty lahadiniky ny fihaonana koa ny fanemorana ny fandoavan-trosa, na ny mety ho fanafoanana izany. Noho izany, voaporofo fa tsy misy ifandraisany amin’ny fomba fitantanan’ny mpitondra ankehitriny araka izay voizina ankehitriny, ny antony tsy naha voaasa antsika fa niankina tamin’ny zava-nisy isaky ny Firenena tsirairay teo anatrehan’ny Covid-19 sy ireo antony hafa efa voatanisa ireo.
Tsara tsindriana fa ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity fihaonana an-tampony ity koa dia tsy manimba velively ny fifandraisana eo amintsika sy LaFrantsa. Ny fahatongavan’Andriamatoa Jean Baptiste Lemoyne, Sekreteram-panjakana Frantsay eo anivon’ny Minisitra misahana an’I Eoropa sy ny Raharaham-bahiny teto amintsika ny 14 Mey teo no isany manamarina izany. Ity fitsidihana ity dia nahafahana niresaka ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny Firenena roa tonta.
Ny Fanoratana.




