Songadim-baovaoSosialy
SABOTSY NAMEHANA: Hamokatra rano 90m³ isan’ora ny toby famokaran-drano vaovao
Isany be mponina indrindra ao amin’ny Distrikan’Avaradrano ny Kaominina Ankadikely izay misy mponina miisa 100 000, manaraka azy kosa ny Kaominina Sabotsy Namehana amin’ny mponina miisa 70 000 eo, ary Anosiavaratra izay manana mponina miisa 7 000 eo. Ireo mponina rehetra ireo izay samy hisitraka ny rano avy amin’ilay toby famokarana rano vaovao vao napetraka ao Sabotsy Namehana. Araka ny fanazavan’ny Minisitry Rano, Fidiovana, Fanadiovana, Rakotovelomanantsoa Voahary, manodidina ny 90m³ isan’ora ny rano vokarin’ity fotodrafitrasa ity. “Antenaina fa hamaha hatramin’ny 60%-n’ny olan’ny famatsian-drano any amin’ny faritr’i Sabotsy Namehana sy ny manodidina ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity”, hoy ny Minisitra. Ity farany izay nampahafantatra fa misy miandry hatramin’ny 1ora maraina ireo mponina teny an-toerana vao mahazo rano teo aloha noho ny tsy fahampian’ny famatsian-drano.
Vahaolana marolafy, araka izany, no efa aroson’ny Fanjakana manoloana ny famatsiana rano fisotro madio eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana andraikitra tamin’ny fananganana ireo “Station Conteneurisée” manerana an’Antananarivo. Isan’izany ny eny Anosiavaratra, Ilafy/Sabotsy Namehana. Ho an’ity farany manokana dia rano alaina avy amin’ny reniranon’Imamba no miasa sy mihodina ao amin’ny fitaovana. Rano efa madio manaraka ny fenitra rehetra ny rano izay omena ny mpanjifa, araka ny fanazavana.
Tsara ho fantatra fa misy ireo “Station conteneurisée” mbola andalam-pamitana toy ny any Atsimondrano, Ivato, Ampasika, Tanjombato. Ho an’ny eny Ivato manokana, tombanana ho vita amin’ny volana jona izao ny asa, ary mponina manodidina ny 90 000 eo ho eo no antenaina hisitraka izany, araka ny fanazavana. Niaiky ny Minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary fa nisy fahatarana ny fanatanterahana ny asa noho ny fisian’ny Hamehana ka nahatara ny fahatongavan’ny entana ilaina rehetra. “Antenaina fa hatramin’ny volana jona dia efa tokony mandeha tanteraka daholo ireo “Station Conteneurisée” ireo izay manampy rano eo amin’ny 2 400m³ eo ho eo ho an’ny Vahoakan’Antananarivo”, hoy hatrany ny fanazavana.


