Songadim-baovaoToekarena

FIARAHAMIASA AMIN’NY BAD: Orinasa madinika sy salantsalany miisa 300 hisitraka tohana

Sehatra anisany fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny Firenena ireo orinasa kely, na orinasa madinika sy salantsalany (MPEM). Ireto farany izay misedra olana goavana eo anatrehan’izao krizy ara-pahasalamana izao noho ireo fepetra samihafa tsy maintsy noraisin’ny Fanjakana hifehezana ny valanaretina. Hitondra aina vao ho azy ireo indray, noho izany, ny fisian’ny fiarahamiasa eo amin’ny Governemanta malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD), izay nosoniavina ny 8 Aprily lasa teo. Araka ny fanazavana dia orinasa kely, madinika sy salantsalany miisa 300 no hisitraka tohana ao anatin’izao fiarahamiasa izao. Vola hatramin’ny 1,4 tapitrisa dolara rahateo no vatsian’ny BAD amin’ny tetikasa, izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Business Linkage Program” BLP.

Fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana

Isany voakasika manokana amin’izao fiarahamiasa izao ny fandaharanasa Fihariana, izay eo ambany fiahian’ny Fanjakana malagasy. Ny Fihariana izay mitovy tanjona ihany koa amin’ny fandaharanasa BLP. Amin’ny ankapobeny, ny BLP dia misehatra bebe kokoa amin’ny fanohanana ny sehatra tsy miankina, indrindra eo amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manao, ny fitantanana, ary ny fampihodinana ireo orinasa kely, madinika sy salantsalany. Manana tanjona manokana koa ny fandaharanasa BLP amin’ny fampitomboana ny famokarana eto an-toerana ihany, izay ataon’ny tanora sy ny vehivavy. Araka izany, ny fandaharanasa Fihariana no anisany manamora ny fahazoana ny famatsiam-bola amin’izany.  “Ao anatin’izao fiarahamiasa izao, ny Fihariana dia hisahana ny fifampiresahana amin’ireo mpisehatra voakasika rehetra mba hahafahana mampivoitra ireo  fanavaozana rehetra tokony hatao amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, ary koa, mba hampiroboroboana ny fitomboan’ireo orinasa kely, madinika, sy salantsalany voasivana”, hoy ny fampitam-baovao.

Fermer