Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

Komity miaro ny fahitsiana – Zandarimaria : Apetraka ny drafitra isan-tsehatra iadiana amin’ny kolikoly

Nanao dinikasa momba ny Drafitra isan-tsehatra momba ny fitantanana ny teo anivon’ny Zandarimarim-pirenena sy ny Komity miaro ny fahitsiana na ny CSI, ny zoma lasa teo. Fametrahana ny fenitra momba ny ady amin'ny kolikoly no atao, ary izay no isan’ny nahatsara ny fiaraha-miasa sy fifanakalozan-kevitra notontosaina miaraka amin’ny Komity miaro ny fahitsiana na ny CSI

Ireo nitantana ny dinikasa avy amin’ny CSI sy ny Zandarimaria.

Nanao dinikasa momba ny Drafitra isan-tsehatra momba ny fitantanana ny teo anivon’ny Zandarimarim-pirenena sy ny Komity miaro ny fahitsiana na ny CSI, ny zoma lasa teo. Tonga teny Betongolo, araka izany, ny delegasion’ny CSI, mba hanampy ny zandarimaria, amin’ny fametrahana ny « Drafitra isan-tsehatra momba ny fitantanana », indrindra ny ady amin’ny kolikoly. Efa nisy ny fandaminana nandritra ny andro maromaro napetraka nahafaha-nanatontosa ny dinikasa sy fifanakalozana teo amin’ny CSI sy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Nambaran’ny Jly Ramasitera Haingo Zafinirina, mpandrindra eo anivon’ny OLCCDD fa « tanjona, ny hametrahana ny drafitra isan-tsehatra momba ny fitantanana isaky ny minisitera. Izany tsy midika fa tsy vao izao akory vao hiady amin’ny kolikoly ny Zandarimariam-pirenena, izay efa niady hatrizay, fa ny fanatsarana no atao ». Nasongadiny nandritra ny fanazavany, fa fametrahana ny fenitra momba ny ady amin’ny kolikoly no atao, ary izay no isan’ny nahatsara ny fiaraha-miasa sy fifanakalozan-kevitra notontosaina miaraka amin’ny Komity miaro ny fahitsiana na ny CSI, izay manana traikefa manokana ary nandalina manokana ny mahakasika izany.

Isian’ny fanjakana tsara tantana…

Ilain’ny Zandarimaria ny tolo-tanana avy amin’ny CSI.

Ny avy amin’ny Komity miaro ny fahitsiana na ny CSI dia miara-miasa amin’ny Zandarimaria, amin’ny fametrahana ny Drafitra isan-tsehatra momba ny fitantanana. « Satria ny ady amin’ny kolikoly dia singa iray ao anatin’ny fanjakana tsara tantana », hoy Rtoa Lalaina Rakotoarisoa, Talen’ny Tetikady eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana na ny CSI. Nasongadin’ny avy amin’ny Komity miaro ny fahitsiana fa ny fanjakana tsara tantana dia momba ny fangaraharana sy  ny tamberina andraikitra. Eo koa ny fahombiazan’ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana, momba ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fampiharana antsakany sy andavany  mahakasika ny tany tan-dalàna. Navoitran’ny avy ao amin’ny CSI hatrany fa rehefa vita ny politika nasionaly momba ny fanjakana tsara tantana, dia hanao fampiharana mahakasika izany ny Komity miaro ny fahitsiana. Anisan’ireo sehatrasa vonona ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, ka hiara-dalana  handrafitra ny Drafitra isan-tsehatra iadiana amin’ny kolikoly. Efa misy ny zavatra nomanina sy  ny fahavononan’ny tsirairay ao anatin’ny zava-misy, raha ny fanambarana. Mazava, araka izany, fa mifanolo-tanana ny Komity miaro ny fahitsiana sy ny Zandarimariam-pirenena amin’ny famolavolana izany drafitrasa isan-tsehatra momba ny ady amin’ny kolikoly.

Raha tsiahivina, dia niezaka miady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay tsy anavahana na iza na iza. Porofo manamarina izany, ny fisian’ny sampanasa iray mandray fitarainana, mba hanalana ny fahasahiranan’ny olona. Miezaka manitsy ny tsy mety eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia raisin’io sampanasa mandray fitarainana io. Raha tena misy tsy mety tanterahin’ny Zandary ka voaporofo, aorian’ny fanadihadiana, irosoana avy hatrany ny fanasaziana.

Fermer