Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

Tohin’ny fakàna an-keriny : Voasambotra ny ben’ny Tanànan’i Bekapaika mpiray tendro amin’i Del Kely

Taorian’ny fahatraran’i Del Kely, izay voatifitra teo amin ’ny feny ary nindaosin’ny fahafatesana ny herinandro lasa teo. Voasambotra ny ben’ny Tanànan’i Bekapaika , izay mpiray tendro amin’ity jiolahy mpaka an-keriny ity. Hiakatra fampanaovana anio, raha tsy misy fiovana…

Nahoraka taty amin’ny distrikan’i Tsaratanàna ity raharaha ity.

Noho ny fahatrarana lehiben’ny jiolahy raindahiny amin’ny fakàna an-keriny  antsoina hoe i Del Kely,  tao Ambohibolakely Kaominina ambanivohitra Morarano Gara, distrikan’i Moramanga, ny 13 mey 2021 lasa teo.  Fantatra taorian’ny fanadihadiana,  fa misy ireo  mpiray tsikombakomba amin’ity dahalo raindahiny ity, izay olom-boafidy. Tsy iza izany, fa ny ben’ny Tanànan’i Bekapaika, anatin’ny distrikan’i Tsaratanàna, izay voatonontonona fa mpamatsy sy mpiaro an’i Del kely. Voasaringotra miaraka amin’io firaisana tsikombakomba amin’i Del kely koa ny rafozan’io Ben’ny tanàna sy olona roa, izay fantatra fa mpiray petsapetsa sy teti-dratsy amin’io jiolahy raindahiny sy mpaka an-keriny io. Antony  nahazoana izao vokatra izao, ny fakàna am-bavany an’i Del Kely tao amin’ny toeram-pitsaboana Moramanga, nandritra ny fitsaboana ny ratra nahazo azy. Efa voasambotra ao amin’ny birao zandary ao Tsaratanàna daholo ireo olona ireo,  izay isaorana azy ireo manokana amin’ny ezaka fandriampahalemana maharitra amin’iny faritra Tsaratanana iny, izay nampikaikaika vahoaka tokoa, momba ny resaka fakàna an-keriny. Tiana  ny manamarika fa ity ben’ny Tanàna ity dia novatsian’i Del kely vola mitentina hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ar tamin’izy vao hirotsaka ho ben’ny Tanàna tany an-toerana, ary nifanao voady tamin’ity ben’ny Tanàna sy i Del kely fa tsy hikitikitika iny faritra iny, amin’ny resaka asan-dahalo sy fakàna an-keriny natao.

Nampiasa kara-panondro hosoka…

I Del Kely isan’ireo jiolahy nampitondra faisana tamin’ny faritra maro.

Nambaran’ny loharanom-baovao marim-pototra tany an-toerana fa nampiasa karapanondro hosoka i Del kely rehefa mandeha any anaty vahoaka. Tsy latsaka ny karapanondro hatrany amin’ny folo mahery no ampiasainy amin’izany. Iray amin’ireny ilay karapanondro niparitaka tany anaty tambajotra ara-tsosialy, izay tsy tena anarany iny, fa anarana hosoka. Fantatra fa Rakotondravoa  Odelson Parfait no tena anarany, izay antsoina hoe Del Kely. Ity farany rahateo, dia nianatra sy lehibe tao amin’ny Tsaratanàna, ka maro ireo mpiara-mianatra taminy sy ny mpampianatra no nanamarina fa tsy tena anarany ireny niparitaka fantatry ny rehetra ireny. Raha tsiahivina, voatifitra tamin’ny feny, ny 13 mey tao  Ambohibolakely, Kaominina ambanivohitra Morarano Gara, distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, i Del Kely mpaka an-keriny sy mpampihorohoro tao anatin’ny Faritra Betsiboka sy Faritra  Analamanga ary Faritra Alaotra Mangoro Ireo Zandary mpampandry tany, izay nanao hazalambo azy hatrany Anjozorobe, notarihin’ny Jly Rakotondrazaka Andry, kaomandin’ny Fari-piadiadian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo sy ireo zandary tany an-toerana no nahasarona azy, izay avy amin’ny alalan’ny fahazoana angom-baovao marim-pototra. Efa voasambotra  koa ny olona efatra hafa mpiara-dia aminy. Notsaboina tao amin’ny Hopitalin’i Moramanga izy, saingy tsy tana ny ainy,  ny 13 mey lasa teo.

Fermer