PolitikaSongadim-baovaoToekarena

LAVANILA EFA VOAKARAKARA: Vidiny tsy mbola manan-kery no niniana naparitaka

Antontan-taratasy tsy mbola ofisialy sy tsy mbola manan-kery no nisy nanaparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy Facebook fa hoe vidiny ambany indrindra amin’ny lavanila efa voakarakara. Nanao fanambarana ny Minisitera tomponandraikitra omaly fa tsy mbola nisy fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana mahakasika ny fetran’ny vidin’ny lavanila, ary antontan-taratasy tsy mbola ofisialy no nisy namoaka tamin’ny Facebook.

75 000Ar/Kg. Io no vidiny farany ambany amin’ny lavanila efa voakarakara, araka ny naoty niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy, nosoniavin’ny Minisitry ny Toekarena, sy ny Minisitry ny Varotra, ny datin’ny 14 Mey 2021. Taitra ny rehetra, ary nahazo aina indray ny mpanohitra satria toa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy tokoa raha ny tarehimarika hita tao anatin’ny taratasy fampahafantarana no jerena. Voatery nitondra fanazavana mahakasika izany ireo minisitra voakasika ireo omaly, izay nilaza fa antontan-taratasy enti-miasa any anaty Minisitera ihany iny niparitaka iny, ary tsy tokony ho mbola hitan’ny daholobe. Tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ny Governemanta io tarehimarika io, fa mbola anatin’ny adihevitra teknika eo amin’ireo minisitera roa tonta. “Ireo vokatra azo avy amin’ny adihevitra teknika rehetra atao dia alefa any amin’ny Komitim-pirenena momba ny Lavanila na “Conseil National de la Vanille” CNV, izay hamoaka ny soso-kevitrana vidiny lasitra”, hoy ny fanambarana. Io soso-kevitra io indray avy eo no hampahafantarina eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta.

Nohamafisin’ny fampitam-baovaon’ny Minisitera roa tonta noho izany fa ny Filankevitry ny Governemanta irery ihany no manapa-kevitra farany mahakasika ny vidin’ny Lavanila aorian’ireo fakan-kevitra isan-tsokajiny ireo.

Fandrindrana ny seha-pihariana lavanila

Nanazava ny Minisitry ny Varotra, Lantosoa Rakotomalala, omaly fa malalaka ny vidin’ny lavanila maitso ho an’ireo hanomboka ny taom-piotazana anio.

Anisany vaovao lehibe nambaran’ity Minisitra ity ihany koa, omaly, ny nankatoavan’ny Filankevitry ny Governemanta ny didim-panjakana iray mikasika ny fanatsarana ny fandrindrana ny seha-pihariana lavanila amin’ny ankapobeny. Voalohany nisy an’izany teto amintsika, hoy ny fanazavany. Tsara ho fantatra fa mpisehatra maro no voakasika ao anatin’ity seha-pihariana ity, ary rafitra isan’ambaratongany maro no voakasika, ka ilàna fandrindrana. Efa finiavana politika nananan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny koa ny nametrahana ny “Conseil national de la vanille” tamin’ny taon-dasa.

Niaiky ity tomponandraikitra ity fa tena misy ny fanararaotana matetika amin’ny vidin’ny lavanila ka ilàna fandrindrana. Tokony ho misy hatrany ny vidiny hahafahan’ny mpamboly miaina. Ireo teknisianina mpanapa-kevitra momba ny vidin’ny lavanila koa anefa dia tsy maintsy mijery ny tsena iraisam-pirenena, ary  mijery koa ny tolotra omen’ny Firenena hafa satria  tsy isika irery no manondrana lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny fanazavana. “Marihana fa miisa efatra ireo Firenena manondrana lavanila ankoatra antsika, saingy isika no tompon’ny 80%-n’ny tsena iraisampirenena amin’ny lavanila”, hoy ny fanazavana.

Ny Fanoratana.

Fermer