Songadim-baovaoSosialy

DOKOTERA LAVO TAO FIANARANTSOA: Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny famotorona ny nahatonga ny voina

Avy hatrany dia nampifandray ny fahafatesan’ny Dokotera Hasina Raherimandimby tamin’ny vaksiny izay nataony iray andro mialoha ny rehetra izay nahare ny vaovao mahakasika ny fahalasanany tampoka, omaly maraina. Tsy maintsy nitondra fanazavana mahakasika izany ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary nilaza fa efa mandeha ny famotorana sy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

Ny Alarobia faha-19 Mey lasa teo ny Dokotera Hasina Raherimandimby no nisafidy ny hatao Vaksiny iadiana amin’ny Covid-19. Ny tenany izay mpitsabo teo anivon’ny Centre Hospitalier Universitaire Tambohobe Fianarantsoa, no sady mpampianatra ihany koa ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Raha ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, dia olona miisa 218 no niaraka natao Vaksiny taminy, tao amin’ny “Vaccinodrome” Fianarantsoa.

Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao dia manana aretina mitaiza ny tenany. Taorian’ny nanaovany Vaksiny anefa dia mbola salama tsara izy, hatramin’ny nifoha maraina omaly, ary mbola nahavita nanao fanatanjahantena mihitsy aza. Ny marainan’ny omaly Alakamisy 20 Mey 2021, tokony ho tamin’ny 09ora no nahafantarana fa nodimandry tao amin’ny “Services des Urgences”, CHU Tambohobe, izy, araka ny tatitra nampitain’ireo tomponandraikitra any an-toerana.

Vantany vao naheno ny voina ny teto amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia nandefa ireo mpanadihady avy aty Antananarivo hanampy ireo izay efa any an-toerana hanao ny famotorana haingana ny antony nahatonga ny voina”, hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny Minisitera tomponandraikitra omaly. Hatreto izany, tsy mbola voamarina na misy ifandraisany na tsia tamin’ny Vaksiny Covishield nataony no nahafaty an’ny Dokotera Hasina Raherimandimby. Aorian’ny fanadihadiana kosa no hahafahana mamaritra izany, ary handraisana ihany koa ireo mety ho fepetra mifandraika amin’izany.

Raha tsiahivina, misy ireo tranga tsy ampoizina mety hiseho amin’ny fampiasana karazana Vaksiny tahaka izao rehefa ampidirina amin’ny vatana, araka ny efa nohazavain’ny Tale jeneraly misahana ny fisorohana ara-pahasalamana, ny Dokotera Randriatsarafara Fidiniaina Mamy. Tsy voatery midika ho tsy fahombiazan’ny vaksiny anefa izany fa fambara amin’ny fiasany fotsiny ihany. Araka izany, rehefa hatao an’io vaksiny io ny olona iray, dia mety hisy soritraretina vitsivitsy toy ny aretin’andoha, manakotsako vatana, mandoa kely, ary mety marary eo amin’ny faritry ny vatana natao tsindrona, mety hisy hafanana ihany koa mandritra ny roa na telo andro. Misy anefa ireo karazam-panafody fanalana fanaintainana, ary efa mivonona ho amin’izany ny Fitondram-panjakana, raha ny voalaza. Izany hoe, tsy tokony hitarika hatrany amin’ny fahafatesana ireo tranga tsy ampoizina ireo, raha io fanazavana io. Izany indrindra no mahazava-dehibe ny fisokafan’ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

Tsara ho fantatra fa 45 taona ny Dokotera  Hasina Raherimandimby izao nodimandry izao, ny ekipan’ny Gazety Freenews dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ireo akaiky azy rehetra.

Fermer