PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA TAO IHOSY: Nitokana fotodrafitrasa momba ny filaminam-bahoaka, rano fisotro madio, fihariana
Taorian’ny Distrikan’Iakora, nitohy tao amin’ny distrikan’Ihosy ny fitsidiham-paritry ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tao amin’ny Faritra Ihorombe ny zoma 21 mai 2021 teo. Nanombohany izany ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao misy ny Foibem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Ihorombe izay hanolo ny birao efa antitra nampiasaina teo aloha.
Taorian’i Sofia, Vakinankaratra, Anôsy sy i Vatovavy Fitovinany, anjaran’ny Faritra Ihorombe indray no nisitraka ny birao manarapenitry ny Foibem-paritry ny Filaminam-bahoaka. Tahaka ny tany amin’ny faritra hafa rehetra dia manarapenitra sy goavana ny fotodrafitrasa. Ahitana efitra 35 ny toerana izay mivelatra amin’ny velaran-tany 950m². Ahitana ireo sampandraharaha rehetra ihany koa ny foibe toy ny angom-baovao, ny police judiciaire, ny fitantanana sy ny misahana ny vehivavy sy ny zaza. Hisahana ny fandriampahalemana maharitra ao Ihorombe ny foibem-paritra, araka ny fanambarana. Fangatahan’ny vahoaka tao Ihosy rahateo ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra sy manakaiky vahoaka. Tsy maintsy samy hapetraka avokoa ny fandriampahalemana amin’ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra, araka ny toromariky ny Filoha. Tsara ho fantatra nahazo fampitaovana avy amin’ny Filoha ihany koa ny Foibem-paritra. Notolorana fiara tsy mataho-dalana sy moto mitondra ny marika GasyCar ny polisim-pirenena.
Rano Fisotro Madio
Notokanana ny zoma teo ihany koa ny toby fanadiovan-drano ao Ihosy. Noho ny fitomboan’ny mponina sy ny fotodrafitrasa dia tsy maintsy nampitomboana manaraka izany ihany koa ny famokarana rano fisotro madio mba haharaka ny filàn’ny mponina. Araka izany dia hamatsy rano fisotro madio ho ana fokontany miisa 13 ao Ihosy ity fotodrafitrasa vaovao ity raha fokontany 7 izany teo aloha. Mponina 120.000 no misitraka ny fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio tonga isan-tokantrano. 1300m³ no rano voadio eto amin’ity toby ity isanandro izay mampiasa teknika fanadiovana amin’ny alalan’ny « système de traitement ultraviolet ».
Tranoben’ny Tantsaha
Ho fanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana dia notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina tao Ihosy ny Tranoben’ny Tantsaha ho an’ny Faritra Ihorombe. Fanamby napetraka hoy ny Filoha ny hampitomboana ny vokatra eto Madagasikara mba hahatratra ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nampatsiahiviny ihany koa ireo hetsika ataon’ny Fitondram-panjakana hanomezana vahana ireo tantsaha toy ny tetikasa « titre vert » sy ny fandaharanasa Fihariana izy manampy amin’ny famatsiana ara-bola sy ara-pitaovana ireo tetikasan’ireo tantsaha. Ho fanampiana hatrany ireo tantsaha sy vondrona tantsaha dia nanolotra milina sy fitaovana azy ireo ihany koa ny Filoham-pirenena.
Kianja Manarapenitra
Efa an-dalam-pahavitana ankehitriny ny Kianja Manarapenitra ao Ihosy. Tonga nijery izany tao an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity kianja ity ary afaka handray fifaninanana lehibe toy ny Kianjan’ny Barikadimy ao Toamasina. Hahazaka olona 1000 isa ny kianja, raha ny fanazavana, ary hotokanana aorian’ny fandresena ny aretina Covid-19. Efa vita tanteraka ny fametrahana ny bozaka synthétique sy ny fananganana ny gradin sy ny tribune. Efa mandeha ihany koa ny fananganana ny gymnase eo akaikin’ny kianja manarapenitra. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorana ny camion bennes ho an’ny kaominin’Ihosy ho fanadiovana ny tanana. Maromaro ireo fotodrafitra napetraka ho an’ny faritra Ihorombe, ary Ihosy manokana dia miroso miandalana amin’ny fampandrosoana hoy ny Filoha.



