Songadim-baovao

Sekoly zandarimaria Ambositra : Zandary mpiana-draharaha 1.121 navoaka tamin’ny fomba ofisialy

Notanterahina ny zoma teo, ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo andia faha-75, tao amin’ny Sekoy Zandarimariam-pirenena Ambositra. Zandary mpiana-draharaha miisa 1.121 ka 997 lahy, 124 vavy no nandrafitra ity andiany faha-75 ity, izay mitondra ny anarana hoe "45è Anniversaire de L'EGNA", ary niofana nandritra ny 14 volana…

Nanotrona ny famoahana ireo andia vaovao, ny Seg Jly Ravalomanana Richard.

Notontosaina ny zoma lasa teo,  ny lanonana ara-pomba ofisialy, famoahana ny andiany faha-75 tao amin’ny Sekoly Zandarimariam-pirenena Ambositra (EGNA). Zandary mpiana-draharaha miisa 1.121 ka 997 lahy, 124 vavy no nandrafitra ity andiany faha-75 ity, izay mitondra ny anarana hoe « 45è Anniversaire de L’EGNA ». Niofana nandritra ny 14 volana tao amin’ny Sekoly izy ireo, izay nanomboka ny 3 marsa 2020. Nasongadin’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa  fa  « tsy misy « intervention » azo atao amin’ny fanendrena toeram-piasana. Efa nanaiky hiasa amin’izy toerana rehetra manerana ny Nosy ireo zandary ireo ». Nahitsy izy nilaza fa tsy tanjona, fa dingana ny fahazoana galona Mpiana-draharaha. Mila mitandrina amin’ny « sécurité personnelle » ny zandary eny an-kianja, raha ny fanazavany. Ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria kosa, dia nanamafy ampahibemaso fa « ny tomponandraikitra ambony mitantana ny Zandarimaria ankehitriny dia mampiroborobo ny « élitisme » sy ny « culture de la méritocratie ». Araka izany, nanome lelavola 500.000 Ariary ho an’ny nahazo laharana voalohany izy, miampy mari-pahatsiarovana. Ankoatra izay, mbola nanome lelavola 2.000.000 Ariary ho an’ireo nahazo laharana 10 voalohany, izany hoe 200.000 Ariary avy  ny tenany.

Mila ampiharina ireo nianarana…

Niavaka ny famoahana ireo andiana zandary faha-75, niisa 1121.

Niarahaba ireo mpianatra ny amin’ny nahavitana soa aman-tsara ny fiofanana izy, ary nilaza fa mendrika ireo matoa nivoaka. Nankahery amin’ny tsy maintsy hiatrehana avy hatrany ny asa miandry sy ny fitohizan’ny fiofanana any amin’ireo « Centre spécial d’aguerrissement Opérationnel » na (CSAO) », na dia tsy mbola afaka mandeha mivoaka aza. Nampirisika ny amin’ny hanohizana hatrany ny fianarana ny Seg, mba ho lasa « Gradé » sy « Officier de gendarmerie », sy ho tafiditra any amin’ny ACMIL na  any andafy. Ampirisihana sy omena fotoana hanaovana « préparation » izay zandary maniry hanao fifaninanana ho lasa manamboninahitra. Nanteriny ny maha zava-dehibe ny resaka « sécurité personnelle ». Mila ampiharina antsakany sy andavany, hoy izy, izay nianarana tany an-tsekoly rehefa eny an-kianja satria mampalahelo ny mahita fa GST sy G2C no maro amin’ireo zandary mamoy ny ainy amperinasa natetika. Nasongadiny fa « asa masina » ny asan’ny zandary: mitandro filaminana, miaro ny Andrim-panjakàna, ny ain’olona sy ny fananany.

Fermer