KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
ANDRO ERAN-TANY HO AN’I AFRIKA: Nisongadina ny fampiroboroboana ny Kolontsaina sy ny Vakoka eto amintsika
Niompana tamin’ny tontolon’ny Kolontsaina sy ny Vakoka ary ny Zava-kanto ny lohahevitry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’I Afrika tamin’ity taona ity, izay nomarihina omaly. Nandritra ny lahateniny, nasongadin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy ireo asa maro nataon’ny Fitondram-panjakana ho fampiroboroboana ny sehatry ny Kolontsaina eto amintsika.
25 Mey 1963 – 25 Mey 2021. Feno 58 taona katroka omaly ny nanaovana Sonia ny fifanarahana mahakasika ny fananganana ny fikambanan’ny Vondrona Afrikanina (OUA). Araka ny lamina dia niompana tamin’ny hoe “Ny zavakanto, Kolontsaina, ary Vakoka: fanoitra amin’ny fananganana an’i Afrika, ilay tadiavintsika”, no lohahevitra tamin’ity taona ity. Noho ny vanalaretina Covid-19 dia natao ampitain-davitra avokoa ny hetsika rehetra. Nasongadina nandritra izany ny maha izy azy ny firenena tsirairay, ary nandray anjara tamin’izany isika teto Madagasikara. Nasongadin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy kosa, izay sady lehiben’ny Diplomasia malagasy, ireo paikadin’ny Fanjakana ho fampiroboroboana ny Kolontsaina, araka izay efa voarakitra ao amin’ny PEM ihany koa. Nivoitra nandritra izany ny fananganana ny Akademiam-pirenena momba ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina. Eo koa ny fanaovana hetsika ara-kolontsaina samihafa, ary ny fananganana ireo tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina manerana ny Nosy. Nasiana koa ny fifaninanana tetikasa momba ny kolontsaina.
Singa hahafaha-mampandroso
Laharam-pahamehana ny fampahafantarana ny taranaka aty aoriana ny tena kolontsainy sy ny maha izy azy, hoy ny Minisitra. Izany indrindra no antony nanatanterahana ny tetikasa loharano izay mitaona ireo dispora malagasy hitsidika an’I Madagasikara, sy hahafantatra ny maha izy azy ireo. Notsindriany fa singa hahafaha-mampandroso ny Kolontsaina. Ny Vakoka ihany koa no mitahiry ny fifandraisana amin’ny lasa sy ny ankehitriny, hoy ny nambarany.
Araka izany, manana anjara lehibe amin’ny famolavolana ny maha olona ny zava-kanto sy ny Kolontsaina. Tanjon’ny satan’ny fahaterahan’ny Kolontsaina afrikanina raha teo izany, hoy ny Minisitra. Fahaterahan’ny kolontsaina afrikanina, izay satan’ny kolontsaina afrikanina tamin’ny taona 1976, nohavaozina ny taona 2006. Tanjona ny hananan’i Afrika ny maha izy azy, manana vakoka iombonana, sy ny manana ny soatoavina sy ny Etika ifampizarana, hoy hatrany ny Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany.




