Vaky Bantsilana

Didimaso nasiam-panafody…

Efa ho dimy volana izay no niatrehan’ny vahoaka malagasy ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Tsy mora ny sedra natrehana, ary tsy isika irery fa saika manerana izao tontolo izao. Ho an’ny Malagasy, nipetraka teo foana ny fepetra, tamin’ny alalan’ny “Hamehana ara-pahasalamana”itsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Maro ny sehatrasa tsy mandeha araka ny tokony ho izy, satria voakitikitika avokoa ny seha-pihariana, ny fivezivezena, ny tsy fisian’ny fifampikasohana. Natao izany fandraisana andraikitra izany, mba isorohana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina covid-19. Saro-toerana tanteraka ny lafiny fihariana, saingy ambony noho ny zava-drehetra ny lafiny fahasalamana satria ny fahendren-drazantsika dia mametraka mazava tsara fa “ny fahasalamana no voalohan-karena”. Inona tokoa moa no azo atao raha miditra ny vola aman-karena, saingy ny vatana marisarisa?

Didimaso nasiam-panafody, ireo karazana fepetra rehetra napetraka ka mahareta fa hanana ny soa e! Isan’ireo tena nijanona tsy niasa nandritra ny dimy volana teo ireo zotra nasionaly sy ny zotra rezionaly. Raha ny fanadihadiana, ny 90%-n’ny zotra nasionaly saika miainga avy eto an-drenivohitra avokoa. Mahatsiaro sahirana tokoa izy ireo, ary nisy ny fivoriana notontosaina omaly teny Ambodivona, namoaboasana ny fepetra rehetra sy ny fiomanana tokony hatao, indrindra ny fepetra raisina ara-pahasalamana. Tsy nohadinoina koa ny lalàna mifehy fifamovoizana ary ny lamina fandrindrana ny fitaterana.Tsy tokony hatao ambany maso tsy hita,  ny  fiomanana ara-tsaina, ara-pitaovana, ny ara-batana, mba tsy hisy ny gaboraraka sy ny mety ho  fihoaram-pefy. Eo amin’ny lafiny fahasalamana,  mijanona ho fepetra raisina ny elanelana iray metatra ary fampihenana ny olona miasa eo anivon’ny fandraisana tsirairay. Tsy maintsy mitoetra  ny toerana fanasan-tanana, sy rano misy fanafody hitsahina.

Isan’ny goavana hatrany ny fanaovana arotava ho an’ny olona rehetra eny amin’ny fiantsonana. Tsy hohadinoina mihitsy ny famendrahana fanafody amin’ny fiara rehetra. Raha tsy voahaja ny fepetra rehetra, didimaso mitsoka sakay eto isika mianakavy, ka hila loza ho an’ny tena. Noho izany, tsy tokony hiseho ny fivorivoriana tsy amin’ny antony eny amin’ireny toeram-piantsonana ireny. Mila olona maro anefa, mahasahy miteny, milaza ary mandray fepetra mihitsy, isorohana ny mety ho fiverenana indray any amin’ny fihibohana tanteraka. Isan’ireo tsy maintsy andraisana fepetra, ohatra, ireo mpivarotra mivezivezy any anatin’ireny tobim-piantsonana ireny. Fepetra fiomanana avokoa anefa izany, ary tsara ny mitsinjo dieny izao, satria ny hitatarana raha main’andro, hoy ny Ntaolo,  ho aro riaka raha fahavaratra. Tsy misy afa-tsy ny fiomanana ihany, fa ny Fitondram-panjakana ihany no tompon’ny teny farany.

Matoa anefa napetraka ny fitsipika isan-tokony, dia soa ho an’ny mpiara-belona. Raha sanatriavina fotsiny, ka misy ny tsy fandraisana andraikitra ho amin’ny tsy fametrahana arotava ho an’ireo olom-pirenena mandeha mivoaka ny trano. Dia azo antoka fa mandrora mitsilany ka hahavoa tena. Koa aoka ny rehetra samy ho mailo fa ny aina tsy ananam-piry. Mila mahatsapa tena amin’ny fandraisana andraikitra tandrify azy anefa ny rehetra. Araka izany, tsy tokony ho didimaso tsara ondana isika mianakavy, ka tafandry mandry manana aretina. Mila arahina tsara ny toromarika rehetra apetraky ny Fitondram-panjakana. Mba tsy hilazana fa ho soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako. Ary mila misikim-ponitra ny rehetra amin’ny fiatrehana ity valanaretina namoa-doza ity. Aoka samy ho tony ny besinimaro, mba tena ho didimaso nasiam-panafody, ka mahareta fa hanana ny soa…

Fermer