Songadim-baovaoToekarena

KARIERA ANDILANA AVARATRA : « Fitrandrahana tsy ara-dalàna no nataon’ny vahoaka » hoy ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra

Mila jerena aloha ny ara-dalàna izay vao miresaka ny ara-drariny raha te hametraka ny tan-dalàna, hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny loharanon-karena stratéjika, Fidiniavo Ravokatra, raha niresaka mahakasika ny raharaha fitrandrahana béryllyum ao amin’ny Kaominina Andilana Avaratra ny tenany. Notsindriany fa tsy ara-dalàna io fitrandrahana misy ao an-toerana io.

Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro hatreto ny mahakasika ny raharaha fitrandrahana bérillyum ao amin’ny Kaominina Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola. Manoloana io indrindra dia nitondra fanampim-panazavana ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo Ravokatra. Nampahatsiahiviny araka izany fa raha araka ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany dia ny fananana fahazoan-dalana hitrandraka na permis minier no hany hahafahana manatanteraka asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Notsindriany fa na iza na iza te hanao asa fitrandrahana dia tsy maintsy manana fahazoan-dalana mba hampanara-dalàna izany. Nilaza, noho izany, ny Minisitra tomponandraikitra fa ao anatin’io faritra itrandrahan’ny vahoaka ao Andilana Avaratra io dia tsy misy manana fahazoan-dalana hitrandraka na iray aza. Araka izany dia fitrandrahana tsy ara-dalàna no ataon’ny vahoaka ao an-toerana, araka ny nambarany hatrany. “Fitsinjovana ireo vahoaka no nahafahan’izy ireo mbola afaka nitrandraka teo amin’io faritra io, mandrampahita ny marimaritra iraisana hampidirana izany anatin’ny sehatra ara-dalàna ; saingy tonga amin’ny fifandonana izay nanohintohina filaminam-bahoaka izany ka tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana”, hoy ny fampitam-baovao.

Hidina ifotony ny Minisitera foibe

Ho tohin’ny fifampiresahana sy fandraisana andraikitra izay efa natomboky ny tomponandraikitra eny an-toerana, dia hisy ny fidinana hataon’ny avy ao amin’ny Ministera foibe hiaraha-mijery ifotony ny rindran-damina tokony hapetraka, araka ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana ny korontana sy ny fampidirana ny mpiantsehatra ho ao anatin’ny ara-dalàna. Ny Minisitra izay nanentana ihany koa ny olom-panjakana isan-tsokajiny momba ny anjara andraikitry ny Fanjakana amin’ny fijerena sy fampanarahana ny Lalàna. Notsindriany fa samy handray ny anjara andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay mba hahafahana mampiditra ireo vahoaka anatin’ny ara-dalàna, ka hahafahan’izy ireo misitraka ny harena sy miasa am-pilaminana anatin’izany fitrandrahana izany, ary hisian’ny tombontsoa ho an’ny rehetra. Ankoatra ny fijerena izay fomba hahafahana mampiditra ireo vahoaka ireo anatin’ny sehatra ara-dalàna sy ny fanomezana fahazoan-dalana, ny Fanjakana dia manara-maso ihany koa ny habetsaky ny vato mivoaka avy amin’ny fari-pitrandrahana, ny momba ireo mpitrandraka, ny lalan-kalehan’ny vato namidy, ny fandoavana ny tamberim-bidy ho an’ny Kaominina sy ny Faritra ary ny asa fampandrosoana aterak’izany, araka ny fanambaran’ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra hatrany.

Fermer