PolitikaSongadim-baovao

FITANTANANA NY FIRENENA: « Tokony hametra-pialana izay tomponandraikitra tsy mahavita ny asany”

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, omaly, manoloana ny raharaham-pirenena sy ireo fanehoan-kevitra samihafa ataon’ny avy amin’ny fanoherana. Nilaza izy fa tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tsirairay eto amin’ny tany sy ny firenena, mba hamela tantara tsara ho an’ny tanindrazana.

Niantso ireo olom-boatendry sy ireo olom-boafidy ny Governoran’Analamanga mba samy hanatanteraka ny asa tandrify azy tsirairay. Notsiahiviny fa tsy maintsy hiala eo amin’ny Fitondrana foana na afaka firy taona na firy taona. Noho izany, aleo mametraka asa sy tantara tsara ho an’ny Firenena. Ho an’ny teo anivon’ny Faritra Analamanga manokana, nambarany fa nitovy ihany ny vola niditra nandritra ny fitantanany sy ny fitantanan’ny teo aloha, saingy ny mpitantana ankehitriny nahavita nividy “niveleuse” telo sy “compacteur” iray. Niantso ny tokony hanatodihana ny fampiasam-bola amin’izay tena filan’ny vahoaka, noho izany, ny Governoran’Analamanga, indrindra ho an’ireo Governoram-paritra hafa namany. “Izahay koa dia manaiky ny fanaovana tombana anay, ary manaiky soloina rehefa tsy mahavita azy, fa tsy midongy toerana”, hoy izy. Notsindriany fa misy hatrany ny fifampiresahana eo amin’ireo samy Governora. Izy ireo izay nifanaiky fa raha misy tsy fahombiazana eo amin’ny Governora dia tokony hametra-pialana avy hatrany izany tomponandraikitra izany. Sarotra ny miverina amin’ny Fitondrana, hoy izy, ka dieny izao eo amin’ny toerana izao dia tokony samy hanao izay vitany ny tsirairay. Izy izay niantso koa ireo minisitra isan-tsokajiny mba hanolo ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha samihafa rehefa hita fa tsy mahavita azy.

Fanakianan’ny mpanohitra

Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fanakianana ataon’ny avy amin’ny fanoherana amin’izao fotoana ihany koa ity tomponandraikitra ity. Nambarany fa tsy mahita holazaina intsony amin’izay asa ataon’ny Fanjakana ny mpanohitra, ka any amin’izay endri-javatra tsy tokony hametrahana adihevitra sisa no hanaovana fanakianana. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitry ny tao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy tamin’ny fampitoviana loko ireo tsena rehefa manamorona ny lalam-pirenena fahafito mandrapivoaka any Iavoloha. Tsy tokony ho ny loko, hoy izy, no atao olana goavana eto amintsika, fa tokony ilay asa fampandrosoana atao. “Tsy olana ny fanoherana sy ny fanakianana, saingy antso avo kosa no ataoko ho an’ny mpanohitra, dia ny tsy tokony hanopana sy handaingana ary ny tsy tokony hitarihana olona amin’ny fikomiana”, hoy hatrany ny fanazavany.

Fermer