Songadim-baovaoSosialy

FIDIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANA : Mbola sakana ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny toeram-pidiovana

28 mey 2021, Andro manerantany ho an’ny Fidiovana mandritra ny Fadimbolana : «Fotoana izao hanamafisana ny fanohanana ireo vehivavy sy tovovavy eo amin’ny fitantanana ny fidiovana sy fahasalamana mandritra ny fadimbolana ». Isany nanamarika izany isika teto Madagasikara ny zoma teo.

Tsy voaresaka firy ny fotoan’ny fadimbolana eo amin’ny fiainan’ny vehivavy sy zazavavy eto Madagasikara, na eny anivon’ny fianakaviana, any an-tokatranao, eny amin’ny tontolo ambanivohitra, izay mbola mampananosarotra ny fitantanana azy. Eo ihany koa, ny tsy fahampian-drano entina midio sy manadio ireo fitaovana, ny tsy fisian’ny toeram-pidiovana na ny fampiasaina ireo toeram-pidiovana iombonana izay miteraka sakana lehibe mandritra ny fadimbolana, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana ary fanadiovana omaly.

Nandritra ny fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny fidiovana mandritra ny fadimbolana, ny zoma lasa teo, ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, tarihin-dRamatoa Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa, dia nandray andraikitra hanatsara ireo hetsika efa notanterahina. Izany dia entina hanamafisana ny fampahafantarana sy fanentanana, eny anivon’ny fiarahamonina sy amin’ny alalan’ny haino aman-jery, izay manamafy ny fitantanana ny fidiovana sy fahasalamana mandritra ny fadimbolana, ary koa ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. « Manoloana ny takaitra navelan’ity valanaretina ity, dia tsapa fa mananosarotra ny fisitrahana ireo fitaovana ilaina rehefa tonga fadimbolana, noho ny tsy fahampiana ny enti-manana », hoy ny fanazavana. Ny fikorontanan-tsaina ateraky ny Covid-19 koa dia manova tanteraka ny fahatongavan’ny fadimbolana araka ny tokony ho izy, eo ihany koa ny fifindran’ny aretina mety ho azo amin’ny fampiasana toeram-pidiovana iombonana tsy manara-penitra, raha ny fampitam-baovao hatrany.

Nanolotra kojakoja

Lohahevitra novoizina tamin’ity taona ity ny hoe « Ndao hanamafy ny hetsika hanatsarana ny fitantanana ny fidiovana sy ny fahasalamana mandritra ny fadimbolana ». Ho fanamarihana izany, ny Minisitera ny rano, fanadiovana sy fidiovana dia nitodika sy nanome tanana ireo ankizivavy sy tovovavy kamboty ao amin’ny « Akany Avoko » ary ireo vehivavy voafonja ao amin’ny fonjan’ny Antanimora tamin’ny alalan’ny fanolorana ireo kojakoja fampiasa mandritra ny fadimbolana. Tao anatin’ny lahateny nataony, Ramatoa Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fahasalamana sy fidiovana mandritra ny fadimbolanana, izay fotoana saropady eo amin’ny fiainany vehivavy ka mila fitantanana tsara.

Fermer