Songadim-baovaoToekarena
FARITRA VAKINANKARATRA : Tontosa ny fikaonan-doha ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra
Ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’ny herinaratra ary ny rano fisotro madio, ireo no anisan’ny sakana amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nivoitra izany nandritra ny fikaonan-doha notarihin’ny mpiandraikitra ny fampandrosoana eo anivon’ny Fiadidiana ny Antenimierandoholona niaraka tamin’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolontsainy ary ny tompon’andraikim-panjakana sy mpandraharaha. Tanjona tamin’izany ny nijerena ny fampandrosoana tokony hapetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra mba hanarenana ny toe-karena taorian’ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19. Nalalaka ny fanehoan-kevitra tamin’ireo mpandray anjara rehetra. Nifampidinika mivantana tamin’izy ireo rahateo ny iraka manokan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Dina Rajaonarison.
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny Kaominina
Tsara tsindriany fa tsy mpikirakira lalàna fotsiny no ataon’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny kaominina rehetra eo amin’ny faritany iadidiany. « Ny tena mampikaikaika ny vahoaka any ambanivohitra, dia ny zezika aloha voalohany, dia ny fanafody na amin’ny voly izany na amin’ny biby », hoy Baina, Ben’ny tanàna kaominina Andranomanelatra. Nihaino ny hetahetan’ireo Ben’ny tanàna araka izany ny mpiandraikitra amin’ny fampandrosoana eo anivon’ny Antenimierandoholona ary hitondra izany eny amin’ity Andrimpanjakana ity hijerena ny vahaolana hanampiana ny amin’izao fahasahiranana izao. « Famahana sy fijerena izay azo hamahana ny olana eny ambanivohitra ireny no natao teo. Hisy ny fehinkevitra, hampitaina ihany koa ireo olana rehetra sy ny vahaolana hanatanterahana ireny », hoy Dina Rajaonarison, Mpiandraikitra ny fampandrosoana eo anivon’ny Antenimierandoholona.
Aorian’izao fikaonan-doha izao dia hatsangana ny komity hamolavola ny tetikasa. Araka ny fantatra dia hitohy amin’ny Faritra hafa eto amin’ny faritanin’Antananarivo ny fikaonan-doha tahaka izao.



