PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANABEAZANA TSARA KALITAO : Ho ampiasana ny teknolojia vaovao eny amin’ireo sekolim-panjakana

Notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina omaly 31 mai 2021 ny sekoly ambaratonga fototra EPP Manara-penitra tao Amborovy - Mahajanga. Nandritra izany no nanambarany ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana malagasy amin’ny Orinasa Huawei amin’ny fampidirana teknolojia vaovao eny amin’ireo sekolim-panjakana. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano fahefatra, dia ny fanabeazana tsara kalitao.

Ahitana efitrano fianarana miisa 12, salle informatique 01, salle ho an’ny cantine 01, efitrano fitsaboana ara-pahasalamana 01, ary misy efitra natokana ho an’ny mpampianatra ny sekoly ambaratonga fototra EPP Manara-penitra tao Amborovy izay vao notokanan’ny Filoha omaly. Mahazaka mpianatra miisa 600 ny toeram-pianarana. Raha tsiahivina, nandalo tao Mahajanga ny Filoha ny taona 2019 nametraka ny vato fototry ny fotodrafitrasa ary vita tanteraka ny fotodrafitrasa manarapenitra amin’izao fotoana izao.

Tafiditra ao anatin’ny velirano fahefatra napetraky ny Filoha ny hanomezana fampianarana tsara kalitao ho an’ny zaza malagasy rehetra. Manana zo hahazo fampianarana tsara sy manarapenitra ny mpianatra rehetra eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Filoha. Tsy maintsy hapetraka araka izany ny paikady hahatratrana izany velirano izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fotodrafitrasa, ny fitaovam-pampianarana manaraka ny teknolojia sy ny boky ary ny Rakibolana. « Tanjona ny hanavaozana ny endriky ny fanabeazana eto Madagasikara sy hanomezana fampianarana tsara kalitao ho an’ny rehetra », hoy ny fanazavana. Ho fanatsarana ny sehatry ny fampianarana hatrany, napetraka eny anivon’ny sekolim-panjakana ny fitaovana manarapenitra manampy amin’ny fampitana ny fampianarana. Miara-miasa amin’ny orinasa goavana amin’ny fikirakirana ny teknolojia sy manana ny maha izy azy eo sehatry ny Teknolojia manerantany Huawei ny Fanjakana malagasy amin’ny fanatanterahana izany.

Fampiasana « Tablettes »

Niroso sy vonona ny hiara-hiasa akaiky amin’ny Fitondram-panjakana ny orinasa Huawei amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Misy ny tetikasa ARIVO hahafahana manatanteraka izany fiaraha-miasan’ny roa tonta izany. Isan’zany ny fanomezana ny tablettes miisa 1500 ka nisitraka sy mampiasa izany ny EPP manarapenitra ao Amborovy. « Mendrika hampiasa ny tablettes ny zana-bahoaka » hoy ny Filoha. Ny fitaovana teknolojia izay hanampy ny Rakibolana sy ny boky avy amin’ny Fanjakana amin’ny fanitara-pahalalana . Hampiasaina amin’ny taranja rehetra hampatsilo saina ny mpianatra ny tablettes amin’ny alalan’ny fametrahana applications ao anatiny. Hita ao anatin’izany ny taranja anglais, francais, mathématiques, histoire-geographie, physique-chimique sy culture Générale.

Fandaharanasa “Seeds for Future”

Mbola tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Huawei sy ny Fanjakana amin’ny fanatsarana my seha-pampianarana ihany koa ny fandaharan’asa “Seeds for Future” . Hisy ny fifantenana sy ny fanomezana, an’ireo mpianatra Malagasy izay sangany indrindra amin’ny fanadinana bakalorea, fahafahana manaraka “cours en ligne de haut niveau” eo anivon’ny Campus Huawei ary mitsidika izany campus izany any Chine. Mpianatra 10 isan-taona no hisitraka izany, raha ny fanazavana. Manomboka amin’ny mpianatra mendrika amin’ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity izany fandaharanasa izany. Hisy ihany koa ny asa fampiofanana amin’ny « numerique et intelligence articificielle » eny anivon’ny Oniversité 5 manerana ny Nosy.

Manamora ny fampitana ny fampianarana

Hiara-hiasa amin’ny Fanjakana malagasy ihany koa ny Huawei amin’ny hametrahana ny Université IEM. Ho Oniversite IEM voalohany sangany eto amin’ny Ranomasimbe indiana ny sekoly, araka ny fanazavana. Mikendry ny fampiroborobona ny “digitalisation” ho an’ny salantaona sy ambarantongam-pianarana rehetra ny orinasa Huawei ary tonga nanotrona ny lanonana fanolorana ny tablettes niaraka tamin’ny Filoham-pirenena tao Amborovy ny Tale Jeneraliny Tao Yaxiong. Ity farany izay nanamafy fa vonona hiaraha-hiasa amin’ny Governemanta malagasy amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina. Manamora ny fomba fampitana ny fampianarana ny fampiasana ny teknolojia vaovao araka ny fanazavan’ireo mpampianatra. Mifantoka kokoa ny mpianatra amin’ny fikarohana ny valim-panontaniana ao anatin’ny solosaina. Nisy ny fampisehoana mivantana ny fahaizan’ny mpianatra mikirakira ny solosaina sy tabilao nomerika nandritry ny fitokanana ny EPP manarapenitra Amborovy Mahajanga. Nanolotra kapa izay fampanantenana nataony ho an’ireo mpianatry ny sekolimpanjakana ihany koa ny Filoha omaly.

Fermer