PolitikaSongadim-baovao

FARITRA BOENY: Nisitraka fitaovana fanamboaran-dalana avy amin’ny Filoha

Isan’ny Kaominina mbola saro-dalana sy nohadinoina foana hatrizay ny any Katsepy, Distrikan’i Mitsinjo, Faritra Boeny. Nandritra ny fitsidihan’ny Filoha ny Faritra Boeny, nataony ho laharam-pahamehana ny fandalovana tany amin’ity kaominina ity, izay sady nitondrany ihany koa ny vahaolana maharitra ho an’ny faharatsian’ny lalana. Natolotry ny Filoha Andry Rajoelina ho an’ny Governoram-paritra Mokhtar Salim Andriantomanga, ny 30 mai 2021 teo, tao Bongomena – Kaominina Katsepy tokoa mantsy ireo fitaovana goavana sy feno vaovao momba ny fanamboaran-dalana. Araka ny fanazavana dia ho laharam-pahamehana hampiasàna ny fitaovana ny fanamboarana ny lalana miainga ao Katsepy, mandalo an’i Mitsinjo mipaka hatrany Soalala na ny RN19. Mirefy hatrany amin’ny 180 km ny lalana izay voasokajy ho isany ratsy sy saro-dalana ao amin’ny Faritra Boeny. Kaominina maro mandalo ireo toerana telo ireo anefa no tena mamokatra na hazan-drano izany na ny voka-bary sy hanikotrana ary rafia. Mihitsoka ny vokatra noho ny haratsian-dalana. Mampihena ny fahazotoan’ny tantsaha ihany koa ny tsy fahafahana mamoaka ny vokatra, araka ny fanampim-panazavana.

Fitaovana manarapenitra

Ny Filoha Tsiranana no Filohampirenena farany nitsidika ny toerana ary izao vao indray vao nisy Filohampirenena tonga tao Katsepy. Amin’izao fotoana dia zara raha misy 15.000km amin’ny lalana 50.000km azo nampiasaina nialohan’ny fiverenan’ny Fahaleovantena sisa no azo ampiasaina. Antony nahatonga izany ny tsy fisian’ny fitaovana hanamboarana ny lalana simba sy hikojana ny fotodrafitrasa, hoy ny fanazavana. Mendrika hisitraka fitaovana manarapenitra kosa ny faritra amin’izao fotoana izao, hoy izy. Tapaka taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny Filoha sy ny Governora fa hatomboka amin’izay ny fanamboarana ny lalana Katsepy hatrany Soalala noho ny efa fahatongavan’ny fitaovana. Feno sy manarapenitra ny fanamboaran-dalana. Ahitana Bulldozer, Compacteur, niveleuse, camion citerne, arrosage. Tahaka ny tany amin’ny Faritra Androy, notolorana ny mari-pahaizana avy amin’ny Caterpillar « certificat d’aptitude rt de sécurité » ireo olona 5 hamily ny fitaovana. Misokatra ny fifaninanana isam-paritra amin’ny fanaovana ny asa. Miandry vokatra 250km isam-paritra isantaona ny Filoha ankehitriny.

Fermer