Songadim-baovaoToekarena
FAMPIASANA ANGOVO AZO HAVAOZINA: Notokanana ny “Parc solaire” hamatsy herinaratra an’i Mahajanga
Tafiditra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ny fanatrarana ny fanomezana angovo ho an’ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ho firosoana amin’izany indrindra dia notokanan’ny Filoham-pirenena omaly ny dingana voalohany amin’ny fotodrafitrasa mpamokatra herinaratra ny “parc solaire” ao Belobaka, izay mamokatra angovo azo havaozina madio hamatsy herinaratra an’i Mahajanga. Fiaraha-miasa eo amin’ny ENELEC sy ny LIDERA Green Power sy ny JIRAMA ny tetikasa. Hamokatra herinaratra 1.25 MW ny fotodrafitrasa amin’izao dingana voalohany izao ka afaka manome herinaratra tokantrano miisa 1900 ao Mahajanga. Hahatratra 12MW kosa ny famokaran’ny fotodrafitrasa manontolo rehefa vita ny dingana faharoa. Famokarana izay efa mihoatra lavitra ny filàn’i Mahajanga.
Hidina ny vidin’ny jiro
“Manana Masoandro, rivotra sy rano i Madagasikara ka azo atao tsara ny mitrandraka izany ary mamadika izany ho angovo azo havaozina”, hoy ny Filoha. Hampihena ny fandaniana amin’ny fampihodinana ny herinaratra ihany koa ny angovo azo havaozina. Sady hitarika ny fidinan’ny vidin’ny jiro koa. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa efa miroso amin’ny fampihenana ny fampiasana ny menaka mavesatra sy ny solika amin’izao ny Fanjakana hampidinana ny saran’ny jiro. Fanamby apetraky ny Filoha ny hametraka ny herinaratra vokarina isaky ny distrika. Ezaka nataon’ny fanjakana ny fametrahana ireo vondrona mpihary herinaratra tao amin’ny faritra Boeny nandritra izao fandalovany izao. Isany nisitraka izany i Katsepy, Namakia sy i Soalala.
Tetikasa « Branchement MORA »
Hanomboka ny alatsinainy izao ihany koa ny tetikasa « Branchement MORA » na ny fitarihina ny herinaratra any amin’ny Tokantranon’ny olona tena marefo. Tetikasa iarahana amin’ny Banky Iraisampirenena ity tetikasa ity mba hahafahana manome herinaratra ny tokantrano sahirana manerana an’i Madagasikara. Midangana ny saran’ny fampidirana jiron’ny JIRAMA amin’izao fotoana izao. 400 000ar izany, araka ny tatitry ny Filoha. Hiantohan’ny Fanjakana miaraka amin’ny Banky Iraisampirenena ny fampidirana ny herinaratra amin’ny tokantrano maro eto Madagasikara. Ny vidin’my kaontera 30.000 ar kosa sisa no efain’ny isantokantrano, araka ny fanazavana hatrany.




