KolontsainaSongadim-baovao

MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: « Nanao ezaka lehibe ny Minisitera hamerenana ny hasin’ny teny malagasy »

Volana jona, volan’ny teny malagasy. Nisy ny kabary nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, omaly ho fanamarihana io iray volan’ny teny malagasy io. Nasongadiny tao anatin’izany ny toerana misy ny teny malagasy ankehitriny, izay tadindonin-doza noho ny tambajotran-tserasera sosialy sy ny antony hafa. Tsy nitaza-potsiny anefa ny Minisitera tao anatin’izay roa taona izay fa nanao ezaka maro ho famerenana ny lanjan’ny teny malagasy.

“Izay manaja ny teniny, manaja ny taniny”, io no lohahevitra nosafidiana hanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy amin’ity taona 2021 ity. Nanazava ny Minisitera fa tsy tokony hatao handalovana fotsiny ny fanamarihana ity iray volana ity fa tokony hahafahana manao fanamby hamerenana indray ny lanja sy ny hasina ary ny maha izy azy ny teny malagasy. Nilaza tokoa mantsy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa “nihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao, hany ka sarona tanteraka, tsy nahatohitra ny fitobak’izany teknolojia toy fampiasana ny tambajotra-tserasera sosialy izany ny fandalana ny teny malagasy, toa tsy maharaka ny toetrandro ny tanora raha tsy mahay mamorona fomba fanoratra ny teny malagasy any anaty tambajotra izay diso tanteraka”.

“Ndao hahitsy ny diso”

“Ny fanariantsika na ny fanimbantsika tsikelikely ny teny malagasy, na ny fomba fanoratra na ny fomba fiteny anefa dia midika fa mihavery tsikelikely tahaka izany koa ny fanajantsika ny tenintsika, ary rehefa very ny fanajana ny teny dia very ny fanajana ny tanintsika, ny tanindrazantsika”, hoy hatrany izy. Fotoana izay nanambarany ireo ezaka rehetra efa nataon’ny Minisitera tao anatin’izay roa taona nitantanany ity departemanta ity izay. Isan’izany ny nananganana fitaleavana manokana momba ny fampiroboroboana ny fiteny malagasy, mba hivoy indray izany famerenana ny fandalana sy fitiavana ny teny malagasy izany. Teo koa ny namoronana fandaharana manokana “ndao hahitsy ny diso” arahina ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ary noezahina koa naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, efa ho volana maromaro lasa izay. Nanao ezaka manokana koa ny minisitera mba hosoratana ranoray amin’ny teny malagasy ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina izay natao volavolan-dalàna ary dinihana ankehitriny eny amin’ny parlemanta amin’izao fe-potoam-pivoriana ara-potoana izao. Tsara ho fantatra fa manokana toko sy andininy maromaro mihitsy momba izay fitandroana sy fampanajana ny teny malagasy izay io politikam-pirenena momba ny kolontsaina io, ary mametraka mazava ny politikam-pirenena momba ny teny ao anatiny.

Ra mamelona ny firenena

Niantso fifanomezan-tanana, araka izany, ny minisitera satria hita fa mbola tsy ampy ny ezaka.  “Raha manaja ny tenintsika isika, dia manaja ny tanintsika. Satria ny zavatra tiana tokoa no hajaina”, hoy ny Minisitra.  Manambara ny Lalàmpanorenana eto Madagasikara fa ny teny malagasy no tenim-panjakana na teny ofisialy  ampiasaina eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nohamafisin’ny andininy faha-15 ao amin’ny volavolan-dalàna  mirakitra ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina koa fa ny teny malagasy no enti-mifandray hampiroboroboana ny fiaraha-monina sy ny fanabeazana.  Ny teny no ra mamelona ny firenena, antoka fototra amin’ny fampandrosoana, no sady mitahiry ny tantara sy ny kolontsaina, araka ny fanazavana. Tetsy ankilany, nilaza ny Minisitra fa mampifandray ny Malagasy rehetra ny Teny malagasy, izay miseho amin’ny endrika maro amin’ny alalan’ny fitenim-paritra.  “Ny fitenim-paritra izay tena azo ampiasaina tsara amin’ny dinidinika, fifampiresahana, fampitana fampianarana sy fampitan-kafatra amin’ny sehatra rehetra, indrindra amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ary tsy azo lavina fa nanome vahana izany fitenim-paritra izany hatrany koa ny Minisitera tamin’ireo sahan’asa rehetra izay iandraiketany”, hoy ny fanambarany.

Fermer