KolontsainaSongadim-baovao

MPANAO GAZETY, MPANAKANTO AO BOENY: Nahazo toerana goavana hampiroboroboana ny sehatra misy azy ireo

Sambany no nisy fahasahiana goavana nanangana fotodrafitrasa tahaka izao, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritra ny fitokanana ny tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao Boeny, omaly. Ity fotodrafitrasa ity izay tsy vitan’ny toerana hanaovana fampisehoana sy fampirantiana fotsiny ihany, fa azo anaovana hetsika hafa koa, toy ny fiofanana, famakiam-boky ary toeram-piasana ho an’ny mpanao gazety.

Tsy nohadinoan’ny Filoha Andry Rajoelina ny nanome lanja ny sehatry ny Kolontsaina sy ny Serasera nandritra ny fitsidihany ny Faritra Boeny, nandritra izay efatra andro izay. Taorian’ny fahavitan’ny asa fanamboarana, nanomboka ny taona 2019 tokoa mantsy dia notokanan’ny Filoha omaly ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina « AKÔRY HALY » ao Mahajanga. Ity farany izay Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina fahatelo notokanana taorian’Antsiranana sy i Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoha ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fametrahana ny fotodrafitrasa mifaranaka amin’izany, hoy ny fanazavana.

Natao ho toerana fanofanana sy fiofanana ny toerana. AKÔRY HALY! io kosa no anaran’ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ao Mahajanga, toerana vaovao mendrika sy manaraka ny fenitra izay natolotra ny mpanao gazety sy ny mpanakanto ao amin’ny Faritra Boeny. Misy efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerena horonantsary (auditorium) mahazaka olona 550 mipetraka ny toerana. Misy ihany koa efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra na fampirantiana (salle d’exposition), ny toeram-pamakiam-boky (bibliothèque) izay ratsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara. Ahitana efitrano fanaovana informatique (salle informatique) koa ny toerana, efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka, efitrano ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety, efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fanamafisam-peo avy tamin’ny Filoha

Toy ny tany Antsiranana sy Toamasina dia notolorana fanamafisam-peo sy zava-maneno feno ny « Auditorium OADRAHA » izay fanomezana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. “Maro no vita ary mbola maro no ho vita fa ny tsy manana sy ny tsy mahay manana dia mitovy ihany, toy ny tsy manana ihany raha simba izy itony, fananana hiombonana ka mila arovana amin’ny mpisompatra, mpangalatra, mpanimba, fifampitaizana hikajy ny fananana iombonana izany…”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nanafatra ny mponin’i Mahajanga mahakasika ny tokony hanajana ny toerana.

Tetsy ankilany, nanamafy tamin’ny lahateniny ny Filoha fa miroso hatrany izy amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana. Miasa haingana ny Filoha. Miasa mafy ary tsy manakana azy tsy hanatanteraka ny asany ny fanakianana. Fotodrafitrasa maro sy manarapenitra no vitan’ny Fanjakana tao anatin’ny 2 taona sy tapany raha toa ka tsy vitan’ny mpitondra teo aloha tao anatin’ny 7 na 10 taona nitondrana, hoy izy. Nambarany ihany koa fa ny fitondrany no nahavita nanolotra Fotodrafitrasa maro ho an’ny vahoaka amin’ny Faritra tena lavitra sy saro-dalana.

Fermer