PolitikaSongadim-baovao
FANGATAHAN-DRY MAMIBE SY NY TARINY… : Nibaribary ny tanjona politika ambadika
Tsy takona afenina intsony fa tafiditry ny resaka politika tanteraka ny fangatahana fanampiana nataon’ny mpanakanto vitsivitsy izay nitaraina ho sahirana vokatry ny krizy sosialy nateraky ny Covid-19. Fangatahana izay niteraka fizarazarana sy fitsitokotokoana teo amin’ireo samy mpanakanto satria misy ireo maro an’isa izay manaiky ny lamina sy ny fepetra apetraky ny Fitondram-panjakana ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Hetsika tsy misy idiran’ny politika izao hetsika izao, hoy ireo mpanakanto telo anisany nandray fanampiana tetsy Bel Air Ampandrana nandritra ny fandraisan’izy ireo fitenenana, nahitana an’i Mamibe, Mily Clément, ary i Ramora Favori. Raha tsiahivina dia nisy ny horonantsary nataon’ny mpanakanto Mamibe tao amin’ny Tambajotran-tserasera sosialy Facebook ny fiandohan’ny herinandro teo niantso fanampiana noho ny krizy nateraky ny Covid-19. Antso izay nantefany tany amin’ny antoko mpanohitra fa hoe tsy misy mihitsy fandraisana andraikitra avy tamin’ny Fanjakana, raha ny filazany. Nizarazara anefa ny hevitry ny mpanakanto nanomboka teo. Araka ny fantatra dia saika natao tetsy amin’ny Bonarabe 67ha ny fivorian’ny artista miray feo amin’ny fitakiana saingy tsy neken’ny tompon’ny toerana izany noho ny filazany fa tsy tokony hidirana raharaha politika ny raharahan’ny artista.
Tsy lavina fa nisy ireo resy lahatra ka naka fanampiana teny amin’ny foiben’ny RMDM Bel Air. Ary na ireo artista tonga teny aza dia mbola nanamafy fa tsy misy ambadika politika ny hetsika nataon’izy ireo, toan ndry i Mily Clément kanefa tao amin’ny lahateniny izy dia milaza mihitsy fa vonona hanaraka sy hanohana ny Filoha Ravalomanana amin’ny ho avy. Izany hoe, ny fomba firesak’ireo mpanakanto ireo dia nahitana taratra sahady ny firaisana tendro tamin’ny mpanao politika.
Tsy manao be marenina ny Fitondram-panjakana
Nanambara i Zoky Vonjy, mpitarika mpanakanto maromaro, mpamorona, ary mpikarakaraka lanonana, fa tsy ny mpanakanto irery no nisedra olana amin’izao Hamehana ara-pahasalamana izao, satria aim-bahoaka no arovana. Izy izay nitarika ny sain’ireo mpanakanto namany mba hijery ireo sehatra hafa izay mitovy toerana amin’ny mpanakanto amin’izao krizy iainan’ny firenena izao. Notsiahiviny fa tamin’ny taon-dasa dia anisan’ireo nisitraka fanampiana ara-tsosialy ny mpanakanto izay niisa 1 000. Nanome fanampiana antsika ny Fitondram-panjakana, hoy izy.
“Tsy misy idiran’ny politika ny resaka artista, izaho mba mpanao politika ihany… Tsy manao be marenina ny Fitondram-panjakana fa mandamina ary mitsinjo ho an’ny tombontsoam-pirenena, ho an’ny tombontsoam-bahoaka”, hoy hatrany I Zoky Vonjy.
Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina
Ny toe-javatra tahaka izao indrindra no maha zava-dehibe ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina izay nataon’ny Minisitera tomponandraikitra ankehitriny. Efa tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Antenimiera roa tonta amin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana izao ny mahakasika ity volavolan-dalàna ity. Tsara ho fantatra fa anisany maha zava-dehibe ny fahalanian’ity volavolan-dalàna ity ny fahazoan’ny artista tsirairay ny Sata maha mpanakanto matihanina. “Izany hoe, hatao mihitsy izay haha matihanina tanteraka ny asan’ny mpanakanto, hisy ny fiahiana ara-tsosialy, hisy ny fisotroan-dronono”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina raha tsiahivina. Ny fisian’io satan’ny mpanakanto io no hahafahana mamaritra izay tena mpanakanto, mpitendry, mpandihy, mpamorona, na artista tena matihanina sy mivelona amin’ny mozika marina, ka hahafahana mandrindra ihany koa ny fanampiana azo atao ho azy ireo.
Ny Fanoratana.




