Songadim-baovaoSosialy

AKANY « ENFANTS DE JOIE » TOAMASINA : Nohavaozin’ny Antoko Freedom tanteraka

Lehibe ny toerana misy ny Akany mpitaiza Zaza kamboty sy sahirana "Enfants de Joie" ao Toamasina fa kosa ratsy dia ratsy ny trano fandraisana sy fianaran'ny ankizy, satria efa antitra sady tsisy fikarakarana mihitsy noho ny fahasahiranana mianjady amin'ny Akany. Nanapa-kevitra ny hanavao izany ny Antoko Freedom, tamin’ny alalan’ny Filoha Nasionaliny, Lalatiana Andriatongarivo. Notokonana ny sabotsy teo ny asa fanarenana rehetra.

Niova endrika tanteraka ny toeram-pandraisana sy fampianarana ny ankizy kamboty, narian’ny raiamandreniny na sahirana ka taizana ao amin’ny Akany Enfants de Joie, ao Andranomadio Toamasina. Nanomboka ny volana oktobra 2020 no lasa Reny mpiahy ny Akany Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom. « Tamin’ny fitsidihany tany voalohany dia tohina ary latsa-dranomaso mihitsy izy nahita ny ezaka sy ny fandavan-tena lehibe ataon’ireo mpivady efa lehibe izay mitantana ny Akany, izay mendrika ampiana sy tohanana », araka ny fampitam-baovao. Raha ny hita ao an-toerana dia lehibe ny toerana misy ny Akany fa kosa ratsy dia ratsy ny trano fandraisana sy fianaran’ny ankizy, satria efa antitra sady tsisy fikarakarana mihitsy noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny Akany.

Amin’ny maha-Reny mpiahy azy dia nanapa-kevitra handray an-tanana feno ny fanamboarana ny tanàna Ramatoa Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom. Trano lehibe miisa 3 no nasiana fanavaozana iray manontolo na ny anatiny na ny ivelany satria efa simba tanteraka. Namboarina manokana koa ny efitrano 2 natao handraisana ireo zazakely ao amin’ny kilasy « préscolaire » sy « maternelle ».

Notokanana ny sabotsy 29 Mey teo

Araka izany, ny sabotsy 29 mai 2021 teo no notokanana ny Akany « Enfants de Joie » izay niova endrika tanteraka, tamin’ny alalan’ny lanonana tsotsotra tao amin’ny foibe toeran’ny Akany ao Andranomadio Toamasina. Hafaliana no nandraisan’ireo zaza sy ankizy taizana sy beazina ao amin’ny Akany ny Reny mpiahy azy ireo, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay nanaiky an-tsitrapo nandray an-tanana ny fanavaozana iray manontolo ny toerana. Ireo ankizy taizana ireo izay nanomana dihy sy tononkalo ho fisaorana ny Antoko sy ny Filoha Nasionaly.

Tetsy ankilany, nisaotra manokana ireo tompon’andraikitry ny Akany Ramatoa Filoha Nasionalin’ny Freedom noho ny fitiavana lehibe ananan’izy ireo mahafoy tena mikarakara ireo zaza malagasy sahirana sy kamboty ireo. « Fitiavana mivaly fitiavana, ka atolotro am-pitiavana anareo koa izao asa fanamboarana rehetra natao izao, amin’ny maha-Reny mpiahy ahy« , hoy ny nambarany.

Tsara ho fantatra fa zaza sy ankizy adolatsento avy amin’ny fianakaviana tena sahirana miisa 382 no taizana sy beazina ao amin’ny Akany, ka ny 33 amin’izy ireo dia kamboty na narian’ny Raimandreniny noho ny fahantrana ka mipetraka tanteraka ao.

Fermer