Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
FANOFANANA HO MATIHANINA IREO TANORA MALAGASY: Hatsangana ny Akademia nasionaly momba ny Fanatanjahantena avo lenta
Nambaran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly nandritra ny fitokanana ny Kianja Manarapenitra Mahitsy fa hatsangana ny « Academie Nationale Sportive de haut Niveau » izay hitily sy hanofana ireo tanora malagasy eto an-toerana ho lasa matihanina amin'ny fanatanjahan-tena, ka eny amin'ny tanàna vaovao Tanamasoandro no hananganana ny ivotoerana.
Ahitana ny taranja rehetra amin’ny fanatanjahantena ny « Academie Nationale Sportive de haut Niveau » izay hapetraka eto Madagasikara, araka ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina omaly. « Ataoko fanomezana manokana amin’ny alalan’ny Fondation io académie nationale de sport de haut niveau io ary eny akaikin’ny Tanamasoandro no hametrahana azy », hoy ny Filoha omaly. Raha ny fanazavana dia sady hianatra no hanaraka fiofanana ary koa handray karama ireo tanora voatily amin’izany. Ny mpanazatra ny Barea teo aloha, Nicolas Dupuis kosa no voatendry hitantana ny Akademia, araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena hatrany. “Atomboka amin’ny baolina kitra izany. Mampahafantatra, antsika rehetra aho fa handray ny coach Nicolas Dupuis ny tenako hametraka izany ary hifantina ireo ekipa miaraka amin’ny ligy manerana an’i Madagasikara”, hoy ny fanazavana. Ny tanjona dia ny hanomanana ireo tanora malagasy mba hitondra avo ny fanatanjahan-tena amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
« Ny fanaovana fanatanjahantena dia mivoy ny soatoavin’ny mpandresy sy ho tia fikirizana, ny fifehezan-tena, ny firaisan-kina, ny fikatsahana ny tsara kokoa hatrany ho an’ny taranaka « , hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Anisan’ny hahazo fiofanana ao amin’ity Académie ity ihany koa ireo tanora izay handrafitra ny ekipan’ny Barea any aoriana.
Etsy ankilany, hisy ihany koa manomboka izao ny fifaninanana “Coupe du President” ho karakaraina manerana an’i Madagasikara izay fifaninanana hiarahana miasa amin’ny ligin’ny baolina kitra hitrandrahana ireo ekipa sy mpilalao manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara ary handeha mivantana amin’ny fahitalavim-pirenena isaky ny Alahady.
Kianja Manarapenitra Mahitsy
Efa fampanantenana nataon’ny Filoha ho an’ny tanora tao amin’ny Kaominina Mahitsy nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ny fananganana kianja manarapenitra ao an-toerana, ary izao tanteraka izao. « Vita hatreo ny baolina ambony vovoka. Vita hatreo ihany koa ny baolina an-tanimbary ho an’ny tanoran’i Mahitsy », hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha nitokana ny Kianja Manarapenitra ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahitsy omaly 6 jona 2021. Naorina manerana ny Faritra rehetra ireo kianja manarapenitra mba hitovy zo ny tanora Malagasy rehetra ka tsy hitangorona ao an-drenivohitra ihany ireo fotodrafitrasa. 33 ireo kianja Manarapenitra no efa an-dalam-panamboarana ankehitriny ary 31 hafa no hatomboka amin’ity taona ity. Tsara marihina fa manana « certification » avy amin’ny « Fifa » ity kianja ity ary afaka hanaovana fifaninanana iraisam-pirenena. Ho an’ny omaly manokana, dia nisantatra voalohany ny Kianja Manarapenitra ireo tanora 14 – 15 taona izay handray anjara amin’ny fifantenana amin’ny fandrafetana ireo Barea zandriny. Naseho teto ihany koa ireo Barea zokiny izay hiatrika fampivondronana eto an-toerana ato ho ato.



