PolitikaSongadim-baovao
FANAOVANA TOMBANA SY TATITRY NY ZAVA-BITA: Hanomboka anio ny fihaonan’ny Governemanta sy ireo Depiote
Araka ny fandaminana ny lahadinika eo anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’izao ankatoky ny fivoriana ara-potoana izao, anio no hisy ny fihaonana voalohany eo amin’ireo Minisitra eo anivon’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara. Tsara marihina fa tsy hifanatrika mivantana ny roa tonta fa atao amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa.
Araka ny andininy faha 101 ao amin’ny Lalàmpanorenana, “Isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany no anoloran’ny Governemanta amin’ny Antenimieram-pirenena ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasany. Arahina adihevitra mahakasika ny asan’ny Governemanta sy ny fanombanana ny politikam-panjakana ny fanolorana.” Mbola voalaza ao amin’ny andininy faha 102 koa fa “Ny fomba ampiasain’ny Antenimiera ahafantarany ny asa sahanin’ny Governemanta dia ny fanontaniana am-bava, ny fanontaniana an-tsoratra, ny fanadinana
hentitra ary ny fampiasana ny vaomiera mpanao famotorana”. Ho fanatanterahana izany indrindra no nametrahan’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny fihaonan’ny Governemanta sy ireo Depiote ho ao anatin’ny lahadinika manomboka anio. Hiavaka ity fihaonan’ny roa tonta ity satria sambany no hatao amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra ny fandaharam-potoana mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.
Tombana ho an’ny Minisitra tsirairay
Amin’ny ankapobeny, ity fihaonan’ny Governemanta amin’ny Solombavambahoaka ity no hahafahana mandrefy sy manao tombana ihany koa ireo Minisitra tsirairay avy tamin’ny fanatanterahany ny asany. Raha tsiahivina, tsy mbola nisy ny fanovana mpikamban’ny Governemanta tamin’ny volana janoary lasa teo, noho ny filazan’ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa tsy ampy hanaovana tombana ireo minisitra ny fisian’ny Hamehana ara-pahasalamana tamin’ny taon-dasa. Tamin’ity taona ity koa anefa, vao niandoha kelikely ny taona dia niverina tao anaty Hamehana indray ny Firenena, ary saika nitodika nakany amin’izay daholo ny fepetra noraisina isaky ny departemanta minisiterialy tsirairay. Anisany nambaran’ny Filohan’ny Repoblika fa efa nomena Faritra tsirairay avy ireo Minisitra ireo mba ahiany, izany hoe, samy efa samy minisitra mpiahy isam-paritra avokoa ny tsirairay. Ary nandritra izao fiverenan’ny Hamehana ara-pahasalamana izao dia anisany hanaovana tombana ireo Minisitra ny asa nataony tany amin’ny Faritra iadidian’izy ireo tsirairay avy.
Asa vita
Na izany aza, saika nahavita asa mifanandrify tamin’ny departemanta minisiterialy iadidiany avy ny Minisitra tsirairay, raha ny hitan’ny mpanara-baovao amin’ny ankapobeny. Manaporofo izany ireo fitokanana zava-bita maromaro izay niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika tato ho ato ireny. Izay kosa anefa no maha zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifampiresahana mivantana amin’ny Solombavambahoaka tahaka izao, satria izy ireo no misolo tena ny vahoaka, ary mahafantatra tsara izay tena filan’ny vahoaka isan-tokony.
Ho an’ny andro voalohany anio manokana, ny eo anivon’ny Primatiora sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no hisantatra ny fanaovana tatitra ny maraina amin’ny 10ora, raha toa ka ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisiteran’ny Fampiarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa no hanao ny anjara anio tolak’andro amin’ny 15ora.




