Songadim-baovaoSosialy

FAMATSIAN-DRANO ANY ATSIMO: Hapetraka ny fantsona lehibe mirefy 7km ao Marolinta

Sambany no hisy ny fiarahamiasa eo amin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, sy ny Fikambanana iraisampirenena ONG Medair avy any Suisse. Fiarahamiasa izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faharoa napetraky ny Filoha, miompana amin’ny fanomezana Rano ho an’ny rehetra. Ny Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa izay nilaza fa mbola ezaka maro no mila tanterahana amin’ny sehatry ny rano fanadiovana sy fidiovana eto amintsika.

Raha toa ka nisehatra tao anatin’ny Hamehana hatrany no nahafantarana ny ONG Médair teo aloha, ankehitriny izy ireo efa miroso amin’ny tetikasa maharitra, izany hoe, ny antonony ezaka sy ny lavitr’ezaka.  Raha tsiahivina, ny Masoivohon’I Suisse dia efa nanome roa miliara ariary tany amin’ny fiandohan’ny taona, natokana ho fanohanana ny sehatry ny rano eto amintsika, indrindra ny any Atsimo. Ankehitriny, manohy ny asa izy ireo amin’ny alalan’ny ONG Médair, ao anatin’ny tetikasa fananganana “Pipeline” na fantsona lehibe mirefy 7km any Marolinta, ao amin’ny Faritra Androy. Raha ny fanazavana dia efa nisy ny fanadihadiana natao mahakasika ny fisian’ny rano sy ny pitsopitsony hafa, natao niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana any Androy, nahafahana namaritra ny toerana hanaingana ny tetikasa ao Marolinta. Hanomboka amin’ny 01 Aogositra izao ny tetikasa, ary ao anatin’ny 12 volana no hanaovana azy. Tanàna miisa sivy no hisitraka ny tetikasa, ary ankoatran’ny rano fisotro madio, dia azo ampiasaina amin’ny voly sy ny biby fiompy koa ny rano azo avy amin’izany.

Fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa

Notanterahina omaly ny fifanekena iraisana teo amin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana sy ny Ong MEDAIR. Amin’ny maha mpiara-miombona antoka eo amin’ity sehatry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana ity, MEDAIR dia miasa amin’ny Faritra 2, dia ny Faritra Anosy, ahitana ny distrikan’Amboasary, Faradofay, Betroka, ary ny Faritra Androy, ao amin’ny distrikan’Ambovombe, Bekily, Beloha, sy Tsihombe.

Nosoniavina teo anatrehan-dRamatoa Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa, sy ny Mpisolo toerana ny Medair eto Madagasikara, Evely Speich-Baer, ireo antontan-taratasy mandrafitra ity fanampiana ity. Ny programanasa ataon’i MEDAIR ho an’ireo Distrika iasana ireo dia miompana indrindra amin’ny fanampiana ny fitadiavana vahaolana eo amin’ny sehatry ny rano, fanadiovana sy fidiovana manoloana ny ain-tany, ny valanaretina Covid-19, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa rano, fanadiovana sy fidiovana ary ny fitantanana ny rano. Voarafitra ao anatin’izao fiaraha-miombona antoka izao ireo antontan-taratasy rehetra mamaritra ireo fepetra ara-teknika, ara-bola, ara-pitantanana sy araka ny lalàna ny asa ataon’ny Medair entiny manatanteraka ny tetikasany. Ity lanonana fanaovan-tsonia ity dia natrehan’Andriamatoa Chasper SAROTT, Masoivohon’i Suisse eto Madagascar.

Fermer