Songadim-baovaoSosialy

FIATOAN’NY ROTSAK’ORANA ALOHA LOATRA : Ritra ireo renirano efatra mandalo eto Antananarivo

“Nitsahatra aloha be ny fiavian’ny orana tamin’ity taona ity. Izany hoe, ankehitriny dia efa tapitra tanteraka ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Efa miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Apipa, Ranto Rakotonjanahary. Vokatr’izany, nilaza ity tomponandraikitra ity fa ritra ny rano eto Antananarivo. Hita taratra izany eny anivon’ireo renirano efatra izay harahi-maso eto anivon’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina. Tafiditra ao anatin’izany ny reniranon’Ikopa, Sisaony, Imamba, ary Andromba. Ny Reniranon’Ikopa sy Sisaony no tena misongadina amin’izy ireo. Ny Ranon’Ikopy izay efa miiba (-020), araka ny mari-pandrefesana misy eo anivon’ny Apipa, eo Anosizato. Ny reniranon’I Sisaony dia efa miiba ihany koa, manodidina ny aotra.

Anisany antony lehibe nambaran’ity tomponandraikitra ity koa ny fikatonan’ny hidin-drano any Tsiazompaniry, izay tantanan’ny Jirama, ka maharitra ny Reniranon’Ikopa. Nomarihiny fa ny Jirama no miandraikitra ny famatsian-drano eto amintsika, izy no mitsinjara ny rano raha misy filana eo amin’ny antelomita mahakasika ny jiro, ny jirama ihany koa no mamaha ny hidin-drano raha misy filan’ny mpamboly amin’ny fambolena vary aty amin’ny lemak’Antananarivo. “Amin’izao fotoana izao, mbola tsy ao anatin’izay vanim-potoanan’ny fambolena izay isika. Raha ny tetiandro, dia amin’ny 15 Aogositra vao manomboka mila rano ny mpamboly. Nosafidiana manokana io daty io noho ny tsy mbola fisian’ny rano”, araka ny fanazavana.

Rano 53 tapitrisa m³

Manomboka amin’io datin’ny 15 Aogositra io, ka hatramin’ny 31 Oktobra, no mangataka ny filàna rano hatrany amin’ny 53 tapitrisa m³, any amin’ny tomponandraikitry ny Jirama ny eo anivon’ny Apipa. “Izany hoe io rano 53 tapitrisa m³ io no hotsinjaraina mandritra izay volana maromaro izay. Manomboka amin’ny ketsa, ny fitomboan’ny vary, ka hatramin’ny farany, miankina amin’ny filàna”, hoy izy. Notsindrian’ity tomponandraikitra fa kely izany saingy tokony hahafahana mampiainga ny fambolena. Tsara tsindriany fa ho an’ny Jirama dia tsy maintsy ny rano fisotro madio no hatao laharam-pahamehana voalohany izay vao manaraka ny filàna hafa.

Fermer