Songadim-baovao

Ambohitrimanjaka : Niteraka korontana sy fikasana handoro trano ny tsy fahitana ilay zazavakely

Zazavavikely iray no voalaza fa tsy hita nanomboka ny 3 jona lasa teo. Nambarana mpimasy fa tao an-tranon’olona iray tao amin’ny fokontany Fandrirana, Kaominina Ambohitrimanjaka no voalaza fa nafenina izy. Nirohotra nankeny amin’ilay trano ny fokonolona, ka niafara tamin’ny tora-bato sy fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso izany, ny afakomaly hariva….

Niteraka savorovoro tety Ambohitrimanjaka ity fahaverezana zazavavikely iray.

Nahazo fampandrenesana ny Tobin-jana-paritry ny zandary ao Ambohitrimanjaka fa nisy zazavavikely antsoina hoe  Stephanie no tsy hita nanomboka, ny  3 jona lasa teo. Afakomaly  anefa, nisy mpimasy iray nilaza tamin’ny ray aman-drenin’io zazavavikely tsy hita io, fa ao an-tranon’olona iray ao amin’ny fokontany Fandrirana, kaominina Ambohitrimanjaka no nafenina izy. Vokany,   nirohotra nankany ny fokonolona efa ho anarivony, nikasa hisava sy handoro io trano io. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Ambohidratrimo notarihin’ny Lietnà lefitry ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra nitandro ny filaminana no sady nanao ny fisavana io trano io. Tsy hita tao anefa ilay zazavavikely, voalaza fa tao. Ny vahoaka koa, etsy andaniny, tsy nanaiky fa mila hatao fitsaram-bahoaka ny tompon’ny trano. Nony tamin’ny 2 ora sasany tolakandro mahery anefa,  niantso ny rainy tamin’ny findainny ilay zaza very mba ho alaina any Analakely. Na dia efa nambara ireo fokonolona ireo aza fa efa hita ilay zaza,  tsy nety niala teo amin’ilay toerana voalaza fa nanafenana ilay zaza  ireo fokonolona ireo raha tsy entina eny an-toerana ilay zaza.

Raikitra ny tora-bato…

Noho ny andro efa mihahariva, tsy tanteraka ny fanirian’ireto vahoaka marobe nirohotra teo amin’ilay trano. Nanomboka nitora-bato ny zandary izay  niambina teo izy ireo. Tsy maintsy nampiasaina ny baomba mandatsa-dranomaso, mba nahafaha-nanala ireo vahoaka teo. Nanampy ireo zandary tany an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny CFS, FIGN sy Escapara. Nidina tany an-kianja avy hatrany koa ny Kolonely Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’Analamanga. Efa tamin’ny 10 ora sy sasany alina, vao voafehy tanteraka ny toe-draharaha. Niezaka niaro ny ireo  olona voatorotoroka ny mpitandro filaminana. Afaka avokoa ireo sakana maro sy kodiarana mirehitra napetrak’ireo mpanakorontana tamin’ny arabe. Raha ny angom-baovao, zandary iray avy ao amin’ny Hery vonjy taitra (FIGN) no naratra teo amin’ny handriny ary efa nahazo fitsaboana. Nasiana zandary miisa 15 miambina ilay trano, izay voalaza fa nanafenana ilay zazavavikely nandritra ny alina. Ny Vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo no misahana ny fanadihadihana. Ankoatra izay,  nomena baiko ireto farany, mba hikaroka sy hisambotra ilay mpimasy noho ny antony fanakorontanana saim-bahoaka. Marihina fa tsy nisy nandray ny antso nandritra ny savorovoro,  na ny Ben’ny tanàna ao an-toerana, na ny Lehiben’ny distrika, nandritra ny fotoana nisian’ity korontana niseholany teny Ambohitrimanjaka.

Fermer