PolitikaSongadim-baovao

NA TEO AZA NY COVID-19… : Nihazakazaka ny asa fampandrosoana, ny fanatsarana ny fitantanana sy ny sosialim-bahoaka

Saika voaresaka avokoa ny asa vitan’ireo departemanta minisiterialy rehetra misy eo anivon’ny Governemanta omaly nandritra ny tatitry ny asa vita nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teo anatrehan’ireo Solombavambahoaka. Nivoitra nandritra izany fa na teo ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika, izay mbola eto amintsika hatramin’izao, dia betsaka ireo asa vita teto amin’ny firenena, indrindra ireo tena miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.

Niompana tamin’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, ny lafiny fitantanana, ny Filaminana sy fandriampahalemana, ny lafiny toekarena sy ny Fotodrafitrasam-pamokarana, ary ny lafiny sosialy, ny tatitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teo anatrehan’ireo Depiote. Tsy nisy na dia iray aza sehatra tsy voaresaka tao anatin’izany. Ary voaporofo fa niasa ny Fitondram-panjakana na teo aza ny Krizy ara-pahasalamana natrehin’ny Firenena. Ary mbola mitombina hatrany koa ilay nambaran’ny Filoha manao hoe Asa tsy vitan’ny mpitondra tany aloha tao anatin’ny fito no vita tao anatin’ny roa taona sy tapany nitondrany ny Firenena.

Isan’ny nisongadina tamin’ny tatitra omaly teo amin’ny lafiny filaminana sy fandriampahalemana, ny ezaka efa notanterahina tamin’ny fanatsarana sy ny fanavaozana ireo rafi-pitantanana teo anivon’ny Tafika Malagasy, Zandariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena. Tao anatin’izany ny fampitaovana sy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao sy toby ho an’ny Miaramila, Zandary, ary Polisy. “Nitohy hatrany izany asa rehetra izany na dia tao anatin’ny Hamehana ara-pahasalamana aza ny firenentsika satria tanjona lehibe no napetraka, dia ny famerenana fahefam-panjakana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana”, hoy ny Praiminisitra.

Tsy natao ambanin-javatra ny sosialy

Entina hanenjehana ny Fitondram-panjakana ankehitriny hatrany ny filazana fa variana amin’ny fanaovana fotodrafitrasa fotsiny, ka tsy mijery ny sosialim-bahoaka sy izay tena ilain’ny vahoaka. Voaporofon’ny tatitra nataon’ny Praiminisitra omaly anefa fa ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny tanteraka ny sosialim-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fanabeazana. “Politika ankapoben’ny Fanjakana ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny Fanabeazana eto amintsika”, hoy ny Praiminisitra. Nisy, araka izany, ny fananganana EPP sy CEG ary Lisea am-polony maro tamin’ny Distrika maro naneran’i Madagasikara. Misy amin’izy ireo no efa vita tanteraka, misy ireo andalam-pahavitana, ary tsy vitsy koa ireo mbola hatsangana. Eo koa ny sehatry ny fampiofanana arak’asa, izay nametrahana “centre de formation professionnelle de Référence (CFPR)” miisa dimy misy efitrano 12 avy. Efa ahitana ireo CFPR ireo ny ao Bealanana, Ihosy, Tsihombe, Vatomandry, ary Betafo. Mitohy hatrany koa ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana isan-taona. Oniversite maro koa no fantatra fa hatsangana any amin’ny Faritra maro.

Rano fisotro madio, fahasalamana, …

Tetsy ankilany, na teo aza ny valanaretina, tontosa ireo asa fanorenana sy fanatsarana maro teo amin’ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana. Amin’izao fotoana, CHRD 14 no andalam-panatanterahana. Efa vita daholo koa ny fanamboarana ireo CSB II miisa folo natomboka tamin’ny taona 2019. Fotodrafitrasa ara-pahasalamana maro hafa ihany koa no efa mandeha ankehitriny satria “Zo fototra ho an’ny olombelona ny fahasalamana ka natao ho vain-dohan-draharaha hatrany”, hoy ny Praiminisitra.

Ankoatra ireo, nanomboka ny taona 2019, nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana fa hanao fotodrafitrasa hamatsiana rano fisotro madio ny Distrika rehetra amin’ny alalan’ny asa fanorenana vaovao na fanitarana ny efa misy. Mihoatran’ny 40 ireo distrika efa nanombohana ny asa ankehitriny.

Misongadina koa ny sehatry ny fampivoarana ny tanora satria efa natomboka tamin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ny fananganana Kianja manarapenitra. Anisany efa vita ankehitriny ny Kianja Barea Mahamasina, ao Barikadimy Toamasina, ao Sambava, sy ny sisa maro be tsy voatanisa. Teo amin’ny sehatry ny Serasera sy ny Kolontsaina, maro asa vita nambaran’ny Praiminisitra, fa isan’ny tena nisongadina ny fanavaozana ny Emetteurs TV sy Radio miisa 74 amin’ny Distrika sy tanàna miisa 54. Teo koa ny fanavaozana ireo toerana manan-tantara eto amintsika ho fampivoarana ny Kolontsaina.

Ny Fanoratana.

Fermer