Songadim-baovaoSosialy
MITERAKA FITOHANANA, TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Maherin’ny 200 ireo môtô manao fitaterana tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra
Nandritra ny vanim-potoanan’ny fihibohana tamin’ny taon-dasa no nanomboka nahazo vahana ireo mpampiasa môtô sasantsasany eto an-drenivohitra ka nisehatra tamin’ny fitaterana olona, nilahatra tamin’ny taksibe sy ireo fiarakaretsaka. Hatreto, tsy mbola mihitsy rafitra ara-panjakana nanome alalana azy ireny, araka ny fanazavana. Izy ireo izay efa maherin’ny 200 isanandro no manao ity asa tsy ara-dalàna ity ankehitriny.
Na ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, na ny Minisiteran’ny Fitaterana, na ny eo anivon’ny Fitandroana ny filaminana dia tsy mbola nisy mihitsy nanome alalana ireo môtô hanao asa fitaterana olona eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Mbola miray feo tanteraka ireo rafitra ireo fa tsy ara-dalàna ny fanaovana izany, hoy ny Talen’ny Fitaterana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Kaomisera Rafenoarison Bemana Vigor. Ity farany izay nanazava fa antony lehibe tsy hahafahana mampiditra azy ireo ao anatin’ny ara-dalàna ny fitohanana ateraky ny fifezivezen’ireo môtô maro loatra. Azo antoka tokoa mantsy fa raha tonga ny fotoana maha ara-dalàna ny fitaterana amin’ny môtô dia ho maro indray ireo olona vaovao hisehatra amin’izany, ka hanery ny fifamoivoizana eto amintsika. Ankoatra izay, tsikaritra ihany koa, hoy ity tomponandraikitra ity, fa anisany mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto Antananarivo sy ny manodidina ity sehatr’asa iray ity. Tsy vitsy tamin’ireo olona mandeha amin’ireny voalaza fa “taxi-moto” ireny no iharan’ny fanendahana rehefa any amin’ny toerana mangingina. Ary farany, ny tsy fisian’ny fiantohana ho an’ireo mpampiasa izany. Midika izany fa raha sanatria misy ny loza miseho dia tsy misy mihitsy antoka ara-pitsaboana azo omena ireo nandeha tamin’izany, dia ny tompon’ny môtô sy ny mpandeha.
Mitohy ny asa fanenjehana
Eo anatrehan’izany, mitohy hatrany ny asa fanenjehana ireo “taxi-moto” eto Antananarivo Renivohitra. Izy ireo izay efa saika tsy miafina intsony manodidina ireny toerana fiatoan’ny taksibe ireny, na ihany koa eny amin’ny fiantsonan’ny fiarakaretsaka. Manoloana izany indrindra, velon-taraina ireo olona efa nivelona tamin’ny fitondrana fiara karetsaka an-taonany maro. Saika azon’ireo môtô ireo daholo ireo mpandeha tokony ho azon’ny fiara karetsaka. Ny saran-dalana rahateo ambany lavitra mihoatra ny an’ireo fiarakaretsaka ka mahavoasarika ny mpanjifa.




