Songadim-baovao
Fampanarahan-dalàna amin’ny lalam-pirenena : Tsy misy tombontsoa ho an’ny Zandary ny fanakantsakanana ny Filoha teo aloha
Manoloana ny filazana fa misy ny fanaovana antsojay ny filoha teo aloha, dia nanambara ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena omaly, fa manao ny asany ara-dalàna ny Zandary eny amin’ny lalam-pirenena. Tsy misy tombontsoa ho an’ny mpitandro filaminana ny fanakantsakanana ny filoha teo aloha eny amin’ny arabe, fa ny famadihana izany resaka hafa no mahavariana…

Hentitra ny valin-kafatry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard omaly tetsy Betongolo, manoloana ny filazana fa manao antsojay, ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny zandary. « Ny zandary manao ny asany ara-dalàna amin’ny lalam-pirenena rehetra. Ary tsy eny Ambohimangakely ihany no misy fa eny amin’ny lalam-pirenena rehetra, toy ny any Tsinjony, Imerintsiatosika, any Ankazobe. Azo hamarinina izany, ary misy foana ny fanakanana tanterahin’ny Zandarimariam-pirenena eny amin’ny lalam-pirenena », hoy izy. Nasongadiny, fa tsy hoe handalo any ny filohan’ny Repoblika teo aloha dia sakanana. Ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, tsy mahalala ny fandehanan’ny filoha teo aloha, hoe andeha hividy mofogasy any Mangamila izy. Tsy nisy nampita izany ny teo anivon’ny Zandary ary tsy mahalala izany velively. Ny fiara mandalo dia takelaka mainty, ilay fiara mandalo dia manao « véhicule prioritaire », tsy mitondra marary ary tsy fantatra hoe haninona fa mandeha fotsiny amin’izao, fa mandeha mafy tsy manaja fandaminana. Araka izany, tsy misy tombontsoa ho an’ny Zandary mihitsy ny fanakantsakanana ny filoha teo aloha, eny an-dalana.
Tokony hifanaja sy manara-dalàna….
Tsy nitsitsy fitenenana ny Seg, Jly Ravalomanana Richard nilaza fa tokony hisy ny fifanajana. Raha nampandre mialoha ianao, fa handalo eo, dia fantatra fa handalo eo izany, ny filoha teo aloha. Nanteriny, fa tsy tokony hisy ny olana momba izany. Ny mampalahelo, ny fanaovana tsinontsinona ireo lazaina fa « Zandarimaria kely ». Azon’izy ireo atao famotorana, rehefa mandika lalàna. Ho an’ny fandriampahalemana no hanaovan’ny zandary ny fanakanana, satria misy ny tsy fanarahan-dalàna miseholany, raha ny fanampim-panazavana. Ho an’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, dia tsy nahalala ny zava-misy, raha tsy nanaovana tatitra. Tiana ny mampahatsiahy fa tsy azo atao ny manatanteraka « véhicule prioritaire » afa-tsy ireo voafaritry ny lalàna ihany na sendra ny hamehana, toy ny mitondra marary. Mety hitera-doza ny fiziriziriana, mbola manao fisetrasetrana. Araka ny didim-panjakana laharana faha-63-253 tamin’ny 9 mey 1963, and. 121, afaka mampiasa ny fitaovam-piadiana eo am-pelatanany ny mpitandro filaminana, raha misy olona tsy mety mijanona rehefa ampitandremana, mba hijanona kanefa minia mandika izany.


