Songadim-baovao
Fampitaovana ho an’ny fandriampahalemana : Matoky ny mpitandro filaminana malagasy ny Vondrona iraisampirenena
Nanolotra fitaovana ho enti-miatrika ny fampandriana fahalemana, ny avy amin’ny Firenena frantsay, ho an’ny Zandarimariam-pirenena omaly, tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Betongolo. Porofo mivaingana ny fatokisan’ny Vondrona iraisampirenena sy ny Firenena maro, ny zandarimaria izao fihetsika izao…

Notontosaina tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy tetsy Betongolo, omaly maraina, tamin’ny 8 ora ny lanonana fanolorana tamim-pomba ofisialy, ireo fitaovana nomen’ny Firenena frantsay ho an’ny Zandarimariam-pirenena malagasy. Isan’izany ireo fitaovana ilain’ny mpitandro filaminana, rehefa mandeha manatanteraka asa any ambanivohitra any, toy ny fandriana « picots » miaraka amin’ny kojakojany, miisa 1000 isa. Ny tanty mahazaka olona roa miisa 72. Tonga nanolotra izany, ny Ambasadaoron’ny Firenena frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Christophe Bouchard. Nanome voninahitra sy nandray ireo fitaovana ireo kosa, ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Jly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, notronin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Izao fampitaovana izao dia porofo mivaingana ny fatokisan’ireo Vondrona iraisam-pirenena sy ireo firenena maro, indrindra ry zareo Frantsay, ny Zandarimariam-pirenena malagasy, amin’ny ezaka sy ny fandraisana andraikitra ataony. Tafiditra ao ny fiarovana ireo andrim-panjakana, ny olona rehetra, na vahiny na tompon-tany, na mandalo na monina eto Madagasikara, indrindra ny ainy sy ny fananany, na dia misy aza ny fanaratsiana maro samihafa atao amin’izy ireo, etsy sy eroa ataon’ny sasany, tsy mankasitraka ny ezaka tanterahina, indrindra ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny lafiny fandriampahalemana. Porofo tsy azo lavina izao, fa matotra hatrany ny fifampitokisana sy fiaraha-miasa misy eo amin’ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Firenena frantsay, toa ireo firenena hafa ihany koa.
Ampiasaina amin’ny faritra rehetra…

Tsiahivina fa ny voalohandohan’ity taona ity, dia efa nisy fanomezana fitaovana nataon’ny Zandarimaria frantsay ny Zandarimaria malagasy. Araka izany, efa lalim-paka sy mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Zandarimaria roa tonta, mba hampahomby ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fandikan-dalàna eto amin’ ity Nosintsika ity. Marihina fa ireo fitaovana ireo dia ho ampiasaina any amin’ny faritra rehetra iasan’ny Zandarimaria, indrindra ny any ambanivohitra, amin’ny fampandriana fahalemana ny tany, sady koa momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19.



