Trangam-piaraha-monina

Distrikan’i Mandritsara : Voasambotra ilay lehilahy mpisoloky sady mpangalatr’omby

Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray sady mpisoloky no mpangalatr’omby, tao amin’ny distrikan’i Mandritsara, ny alakamisy 3 jona. Ny fitondrany omby tsy misy taratasy no nahasaronana azy, rehefa nohamarinin’ny olona nisolokiany izy…

Ilay jiolahy mpisoloky sady mpangalatr’omby saron’ny Zandary.

Lehilahy iray mpanao « taxi-môtô » mipetraka ao Antanandrainivelo, distrikan’i Mandritsara no voasoloky, ka tonga nitaraina tany amin’ny zandary, ny 2 jona lasa teo. Nisy lehilahy iray izay tsy fantany anarana tonga teo amin’ny toeram-piantsonan’ny “taxi-moto” ao Antanandrainivelo voalaza  fa ho enti-mandroso sy miverina any amin’ny « Pont-Sofia » fokontany sy kaominina ao ihany, distrikan’i Mandritsara, ny farany volana mey lasa teo. Nambarany fa  misy vola halainy any ka rehefa tafaverina ao Mandritsara vao manefa ny saran-dalana. Vola mitentina valo alina (80.000) Ar no nifanarahan’izy ireo tamin’izany. Rehefa tonga tany Pont-Sofia anefa izy, dia nandositra ary tsy hita ny tany nombany. Taorian’izany,  nandeha ny fikarohana, ka araka ny loharanom-baovao marim-pototra izay voaray, dia mpanao hirakelin’omby izay fantatra amin’ny anarana hoe Nônô ity farany.

Ny alakamisy 3 jona tokony tamin’ny 8 ora maraina, nampandre ny Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra ireo Polisy kaominaly ao Ambinanifango, distrikan’i Mandritsara fa misy lehilahy mitondra omby iray tsy misy taratasy saron’izy ireo. Ny bika aman’endriny dia mifanahatahaka amin’ny nampitaina tany amin’izy ireo. Naniraka zandary nidina tany an-toerana hijery ifotony ny zava-misy, ny tao an-toerana. Rehefa tonga tany Mandritsara ity olon-dratsy, ka nampijerena ilay mpanao « taxi-môtô » dia tena nilaza fa  ilay olona nisoloky azy tokoa. Mikasika ny omby izay tratra teny taminy indray, dia nilaza izy fa nangalariny tany Mazava, fokontany ao ihany, kaominina Ambanivohitra Ambodimotsy Atsimo, distrikan’i Befandriana Avatra, ny harivan’ny talata voalohan’ny vola jona io omby io ary nentina. Naverina tamin’ny tompony ny omby, raha nanaovan’ny Zandary fanadihadiana kosa, ilay mpisoloky sady mpangalatr’omby.

Fermer