PolitikaSongadim-baovao

OLAN’NY RANO, HERINARATRA, LALANA, TSY FANDRIAMPAHALEMANA,… Tetikasa lehibe mihoatra ny 10 hanavotana ireo Mpiray tanindrazana any Atsimo

Mihoatra ny 10 ireo tetikasa lehibe hapetraky ny Fitondram-panjakana any amin’ny faritra Anosy sy Androy, hanavotana ny mponina sy ho fampandrosoana ny any an-toerana. Hanova ny fomba fiasa tanteraka ny Fitondram-panjakana, hanenjehana ny fahataran’ny fampandrosoana ao Atsimon’ny nosy, raha ny nivoitra nandritra ireo fikaonan-doha lehibe ifotony namaritana ireo asa sy vina hampandrosoana ireo faritra roa ianjadian’ny “kere” isan-taona ireo, tao anatin’ny “diniky ny samy Malagasy”.

Fikaonan-doha goavana no notanterahin’ny Fanjakana foibe notarihan’ny Filohan’ny Repoblika, niarahany tamin’ireo olom-boafidy sy tompon’andraiki-panjakana, ary ireo mpandraharaha ao an-toerana. Nivoitra tamin’izany, fa tsy azo ekena intsony ny zava-misy ao Atsimon’ny Nosy, ka tsy mantsy handraisana andraikitra sy hanehoana fahasahiana avy amin’ny Fitondram-panjakana, raha ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Nomarihany nandritra ny laha-teny nanakatonany io laha-dinika io, fa “efa ela loatra, satria efa tamin’ny taona 1932 no nianjadian’ny kere sy ny mosary taty Atsimo, ny tsy fahampian-drano sy ny hain-tany, ary ny tsy fanjarian-tsakafo nianjady taminy. Tsy mandry andro tsy mandry alina aho raha mahita ireo horonan-tsary mikasika ny aty Atsimo, torotoro ny fo, ary tsy mitsahatra mijery izay tokony hatao. Noho izany, tsy azo atao ny mijery ny zava-misy sy miraviravy tanana manoloana izany toe-javatra izany, ka antony hanovana sy hametrahana paikady mahomby hamonjena ireo havana sy zanantsika aty Atsimon’ny Nosy. Handray andraikitra haingana isika, noho izany, manoloana ireo maso mipitrapitra miantso vonjy. Hanova ny fomba fiasa sy ireo lala-tsaina enti-manarina sy mampandroso ity faritra Atsimo ity”. Noraisina tamin’ny antsipirihany avokoa ireo zava-misy sy ny olana ao Atsimo, nandritra ireo fikaonan-doha natao ireo, narahin’ny ady hevitra momba ireo vahaolana azo tanterahina, izay miompana indrindra amin’ny fanatanterahana fotodrafitrasa fototra maro, ho fampiroboroboana ny sosialim-bahoaka sy ny mikasika ny fiainan’ny mponina andavanandro, ary ny fampiroboroboana ny toekarena sy ireo seha-pihariana amin’ny lafiny maro. Fantatra ary, fa misy amin’izany no andalam-panatanterahana amin’izao fotoana.

Maika ireo fotodrafitrasa goavana, misy ny efa mandeha

Eo amin’ny fananganana fotodrafitrasa fototra dia natao laharam-pahamehana ny famatsisana rano sy ny fanamboarana lalam-pirenena, ary ny famatsian aherinaratra, izay atao amin’ny volantsika Malagasy madiodio ny fanaovana ny “Pipeline” lehibe sy goavana ao Efao ka hatrany Ambovombe. Misy koa ny tetikasa “Mionjo” novatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, ho fanamafisana ilay “Pipeline” ao Mandrare ka hatrany Sampoina, izay hanomboka ny volana janoary 2022. Hotanterahina koa ny fanamafisana ny “Pipeline” ao Ampotaka ka hatrany Tsihombe, mirefy 90km. Ny “foundation Rajoelina” izany hoe ny fianakavian’ny Filoha, dia hametraka ozinina lehibe mpamokatra rano ho an’olona mahatratra 60 000 isan’andro, amina distrika maro ao Atsimon’ny Nosy, hanomezana rano fisotro madio azy ireo. Fanamby napetraka ny fanaovana ny Lalam-pirenena faha-13, izay mampitohy an’i Tolagnaro sy Ambovombe, izay famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. Hametraka fanamby koa ny Fitondram-panjakana hanao ny lalana mampitohy an’Ihosy sy Betroka. Efa vita koa ankehitriny ny ampahany amin’ny Lalam-pirenena faha-12a, mampitohy an’i Tolagnaro sy Vangaindrano, izay mitentina 204 000 000 dolara. Nametraka amin’ireo mpamatsy vola ny Fitondram-panjakana amin’ireo tetikasa laharam-pahamehana amin’izy ireo ao Atsimo. Ho fampandrosoana ny ao Atsimon’ny Nosy, dia nametraka ny lalana miainga eo Andranovory, Betroka ka hatrany Ampanihy ny Fitondram-panjakana, izay hotanterahin’ny Banky iraisam-pirenena. Tao anatin’ny roa taona sy tapany izay, dia mitentina 470 000 000 dolara ny hanaovana ny lalana “tara” ao Atsimo avy amin’io mpiara-miombon’antoka io.

Hamafisina ny sosialim-bahoaka…

Hanatanterahana asa mitohy kosa ny lafiny sosialin’ny mponina ao Atsimon’ny Nosy, hitondra vahaolana maharitra. Atao ezaka ny fahazoana herinaratra, ka ireo distrika rehetra ao Atsimo dia hanaovana Parc Solaire goavana avokoa, izay hotanterahina latsaky ny herin-taona. Afaka hambolena ny ambanin’izany, ka ireo mpamboly no miambina ny “Parc solaire”, no sady mikarakara azy. Hametrahana “Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale » (CRNM) isak’ireo “Parc solaire”, izay natao hitobian’ny mpitsabo sy hizarana sakafo ho an’ny mponina. Hapetraka ao Tolagnaro ny “Scaner” vaovao. Hampiana koa ireo ankizy ao Atsimo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, ka hapetraka ny ozinina fanaovana spiruline sy ozinina nutri-7 ao Atsimo. Eo amin’ny fampianarana dia havaozina avokoa ireo sekoly rehetra tokony hamboarina, hampiakatra ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly. Lafiny tsy fandriam-pahalemana dia hapetraka ny « Base Opérationnel Avancé” (BOA), ka hita ao ny mpampandry fahalemana. Ny “rengagement” dia izay miaramila voaray ao Anosy no hampandry fahalemana ny any Androy, torak’izany koa ny ao Androy mankany Anosy. Ireo faritra mafanan’ny tsy fandriam-pahalemana dia hametrahana fiaramanidina iray, ary koa hamonoana valala. Hapetraka ao Ifotaka ny “titre vert” izay mitentina 5 000 000 dolara, ka ireo distrika afaka mandray azy dia hodinihina ny fametrahana azy. Trano ho an’ny fianakaviana sy fiompiana, ampanarahana izany. 70 000ha ny velaran-tany hambolena mangahazo ao Atsimo, ary homena fitaovana ireo mpandraharaha hanodina ny vokatra mangahazo. Hapetraka ny fambolen-kazo maharitra tsy afaka ho simba sy maharitra. Manomboka ny asa fananganana “Gymnage” manara-penitra ho an’ny tanora ao Tolagnaro. Hahazo toy izany koa ny ao amin’ny distrikan’Ambovombe Androy, ary hananganana kianja “synthétique” ny distrikan’Amboasary Atsimo, Betroka, Bekily, Tsihombe, Beloha, Ampanihy Andrefana, Benenitra sy Betioky. Hananganana “Aerodrome” ao Ampanihy Andrefana. Nambaran’ny Filoha, fa hanova ny tantara isika, ary tao am-pony ny fitiavana ny ao Atsimo. “Tsy mantsy mandroso i Madagasikara, ary tsy maintsy mandroso Atsimo”. Diniky ny samy Malagasy tsy nanavahana firehana sy fomba fijery no natao tany an-toerana, ary nandray anjara tamin’izany avokoa ireo distrika rehetra avy ao Anosy sy Androy.

Fermer