Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
KIANJA BAREA MAHAMASINA: Vita ny 90%-n’ny asa, vonona handray ny lalao amin’ny Septambra
Vita daholo ny rafitra tena lehibe ao anatin’ny asa fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Izany hoe, ny 90%-n’ny asa no vita tanteraka ankehitriny. Nisy ny fandraisana ara-teknika ny Kianja ny sabotsy teo. Fotoana izay nijerena ireo asa rehetra efa tomombana, niarahana tamin’ny Talen’ny Tetikasa sy ny mpanao gazety. Araka ny fanazavana, efa vonona amin’ny fandraisana ny lalao fifanintsanana handehanana mankany amin’ny amboara eran-tany 2022 ny Kianja.
Ny fanaovana ireo haingo amin’ny Gradin vaovao vao napetraka, sy ny fanamboarana ny ivelan’ny Kianja na ny zone C, ireo sisa no azo ambara fa asa lehibe mbola hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fanazavan’Andriamatoa Gerard Andriamanohisoa, mpanolotsaina manokan’ny Filoha misahana ny fotodrafitrasa, tanamasoandro sy ny tanàn-dehibe. Ny fanaovana ireo fotodrafitrasa ireo izay naato mihitsy ho fanomanana ny fetin’ny 26 jona raha toa ka ilaina ny Kianja.
Ankehitriny, efa vita hatrany amin’ny 98% ny zone A ahitana ny tribune. Efa mipetraka ireo seza rehetra, ireo jiro, sy ny sisa. Efa mandeha daholo ny fanamafisam-peo, ny projecteur, ny écran géant, sy ny lafiny aro afo raha sanatria misy firehetana. Raha ny fanazavana dia mpijery hatrany amin’ny 40 200 isa no ho azon’ny Kianja raisina manomboka izao. Ny Tribune izay mahazaka olona maherin’ny 16 000 mipetraka, raha toa ka manodidina ny 24 000 olona mipetraka no zakan’ny gradin. Tsara marihina fa tsy nokitihina ilay gradin teo aloha, araka ny fifanarahana tamin’ny orinasa nanao ny asa. Nisy kosa ny fanamafisana natao tamin’ny fotodrafitrasa tranainy mba nahafahana nametraka ireo seza. Araka ny fanazavana dia ho vita mialohan’ny 26 Jona ny fametrahana ireo seza rehetra ireo. Ireo zone A rehetra koa dia efa mandeha daholo ny jiro, na ny anatiny na ny ivelany. Efa tafapetraka ireo toeram-pivoahana lehibe miisa efatra any ivelany ho an’ny mpijery.
Bozaka natoraly
Efa mitsiry ny bozaka natoraly napetraka ao amin’ny kianja. Raha tsiahivina dia nisy ny bozaka vonjimaika napetraka saika nandraisana lalao tamin’ity volana jona ity. Nihemotra anefa io lalao io, ka nosoloina ireo bozaka tena manaraka ny fenitry ny Fifa izany. Raha ny fanazavana dia mifanaraka amin’ny toetr’andro aty Madagasikara ity bozaka ity. Ary tsy manangon-drano na dia betsaka aza ny fiavian’ny orana. Efa mandeha koa ny fanondrahana “automatique”. Ary misy hatrany ny “piste” hahafahana mihazakazaka manodidina ny Kianja.
Ahitana “zone d’attente” isaky ny rihana ao amin’ny tribune. Samihafa kosa ny tohatra miditra amin’ireo gradin ambony sy ambany ireo. Tsy niova fa tohatra folo tahaka ny teo aloha no mankao amin’ny gradin ambany raha toa kosa ka 20 ny tohatra miakatra any amin’ny gradin vaovao. Na izany aza, misy ny passerelle mampitohy ny gradin taloha sy vaovao raha sendra misy olona miampita. Ankoatra izay, misy anarany ireo seza, ary misy famantarana hanamora ny fitadiavana seza rehefa misy hetsika. Efa vonona koa ny “projecteur” amin’ny fanazavana ny toerana izay mipetraka 50 metatra miala amin’ny tany.
Maharitra hatramin’ny 100 taona
Nampahatsiahivin’ity mpanolotsaina manokan’ny Filoha ity, fa fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena ny hanao ny Kianja Barea. Noho izany, tsy nisy ny volan’ny Fifa niasa tamin’ny tetikasa fa vola nivoaka tamin’ny tetibolam-panjakana 2019, 2020, ary tamin’ity 2021 ity no nampiasaina. Marihana fa mitotaly 77 tapitrisa dolara ny saran’ny asa fanamboarana rehetra. Raha ny fanazavana hatrany dia vonona handray ny lalao fifanintsanana iakarana any amin’ny amboara eran-tany 2022 amin’ny Septambra izao ny Kianja. Ity farany izy maharitra hatrany amin’ny 50 taona, raha ny tombana ara-teknikan’ny fanorenana no jerena, fa kosa, afaka maharitra hatrany amin’ny 100 taona, araka ny fanazavana hatrany.




