Songadim-baovaoToekarena
FAMPANDROSOANA AN-TANAN-DEHIBE: Fotodrafitrasa maro efa mijoro ao Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara
Manoloana ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe eto Madagasikara, saika tsy mifanaraka amin’ny isan’ny mponina intsony ny fotodrafitrasa sy ny zava-misy amin’ny ankapobeny eny amin’ireo Renivohitra eto amintsika. Tranga izay miteraka tsy firindran’ny fifamoivoizana sy ny fitaterana, tsy fandriampahalemana, fikorontanan’ny fitantanana ny fako, fahasimban’ny tontolo iainana. Noho ireo tranga ireo indrindra no nahateraka ny tetikasa « Programme d’appui et de développement des villes d’équilibre » na PADEVE teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy. Tetikasa izay miompana amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenana sy ny fiainan’ny mponina amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara, ahitana an’Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga, Toamasina ary Antsirabe.
Ankehitriny, raha ho an’Antsiranana, Fianarantsoa sy Toliara manokana dia efa misongadina ireo fotodrafitrasa natsangan’ny tetikasa. Ho an’Antsiranana manokana, misy ny fanamboarana lalana, zaridaina, ny tsenan’i Bazary Kely, ary abatoara. Ho an’ny ao Fianarantsoa kosa indray, misy ny fanamboarana lalan-kely maromaro, isan’izany ny ao « vieille ville ». Teo koa ny fanamboarana ny farihin’Anosy any an-toerana sy ny fantsona mitondra rano mamakivaky ny tanàna. Namboarina koa ny tsena’Anjoma sy Besorohitra. Saika niompana tany amin’ny fanamboaran-dalana kosa ny tao amin’ny Renivohitr’I Toliara. Isan’izany ny “Rocade extérieur”, ny lalan’Ambohitsabo, ny lalan’Antaravay, ary ny fantsona mpitondra rano. Namboarina koa ny tsenan’I Sanfily sy Scama.
33 tapitrisa Euro
Tsara ho fantatra fa tsy mihanona fotsiny amin’ny fananganana fotodrafitrasa ny Tetikasa Padeve fa mifanindran-dalana amin’izany koa ny fananganana ny drafi-pampandrosoana an-tanàn-dehibe isak’ireo toerana hiasan’ny tetikasa. Misy hatrany koa ny hetsika fanamafisana fahaiza-manao sy fiofanana ho an’ireo mpitondra eny ifotony. Araka izany, misy ny mpiara-miombona antoka miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra, ka lohalaharana amin’izany ny “Agence Française de Développement (AFD) izay mamatsy vola mitentina hatrany amin’ny 27 tapitrisa Euros. 6 tapitrisa Euro kosa avy amin’ny Fanjakana malagasy. Izany hoe, 33 tapitrisa Euro no fitambaran’ny vola miasa rehetra amin’ity tetikasa ity. Ao anatin’ny 5 taona no voafaritra hanatanterahana ny asa rehetra, ka ny dingana voalohany amin’ny asa izao no vita. Efa misasaka ihany koa ny 5 taona hanao ny asa rehetra. Hatreto, nilaza ny Talen’ny AFD miasa sy monina eto amintsika, Yves Guicquéro, fa afapo tamin’ny asa rehetra efa vita, ary nidera ny fomba fiasan’ny Governemanta malagasy tamin’ny fanantanterahana ireo dingana rehetra efa natao.




