PolitikaSongadim-baovao

FEPETRA HO AN’NY 15 ANDRO MANARAKA : Mitohy ny Hamehana, voarara ny famoriana olona mihoatra ny 200

Nitafa nivantana tamin’ny vahoaka ny Filoha omaly nilaza ireo fepetra vaovao indray hampiharina eto amintsika ho an’ny 15 andro manaraka. Nivoitra nandritra izany fa na dia mihena ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara, dia ilaina hatrany ny fanamafisana ny fampiharana ireo fepetra sakana rehetra, antony mbola handrarana ny famoriam-bahoka mihoatra ny 200.

Taorian’ny fakan-kevitra tamin’ireo lehiben’ny Andrimpanjakana, tapaka fa hitohy mandritra ny 15 andro manaraka indray ny Hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nilaza ny Filoham-pirenena omaly fa nihena hatrany  ny isan’ireo olona voamarina ho mitondra ny tsimokaretina. Mila mitandrina hatrany anefa isika satria miditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina.

Na izany aza anefa, tahaka ny tamin’ny 15 andro farany ihany, dia efa miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro isika. Araka izany, ny famoriana olona mihoatra ny 200 no voarara manomboka izao. Ary izany ihany koa dia miankina amin’ny halehiben’ny toerana hanaovana ny famoriana olona. Mbola mihatra hatrany ny fepetra tsy fahafahana mifamezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 11ora ka hatramin’ny 04ora maraina. Mifandraika tamin’izay efa tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra kosa, azo atao ny mitondra razana mivoaka ny Faritra ho an’izay tsy matin’ny covid-19. Ho an’izay matin’ny Covid-19 kosa, mbola voarara izany, ary tsy mihoatra ny olona folo hatrany no manatanteraka ny fandevenana.

Misokatra ny “espace”

Nohamafisin’ny Filoham-pirenena omaly fa mbola mikaton ny sisin-tany. Na izany aza anefa, omena alalana manokana ireo olona manana fahoriana mba anefa ny adidiny farany mifandraika amin’izany. Fepetra vaovao nambaran’ny Filoha ihany koa ny fisokafan’ny Espace na ny trano fandraisan-danonana toy ny Mariazy. Izany anefa dia tsy maintsy ao anatin’ny fanajana feno ireo fepetra ara-pahasalamana hatrany.  Nanamafy ny Filoha omaly fa ny fanarahana ny lamina napetraka sy ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay no tena ilaina mba hahafahana mandresy ny valanaretina.

Fermer