PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FANAMPIANA VONJY TAITRA NY ANY ATSIMON’NY NOSY: Nanome vola mitentina 40 tapitrisa dolara ny Amerikanina
Vola mitentina hatrany amin’ny 40 tapitrisa dolara no fantatra fa nomen’ny Governemanta amerikana ho fanampiana vonjy taitra ny any atsimon'i Madagasikara. Olona maherin’ny 729.000 isa no voafaritra fa hisitraka fanampiana ara-tsakafo ao anatin’ity ity famatsiam-bola vaovao ity.
Taorian’ny fanadihadiana natao farany teo izay mampiseho fa miharatsy hatrany ny toe-draharaha ara-tsakafo ao Atsimon’i Madagasikara, dia nanambara ny Ambasadaoro amerikana Michael Pelletier omaly fa manolotra vola mitentina 40 tapitrisa dolara ny Governemanta amerikana ho fanampiana ny any Atsimo ianjadian’ny haintany. Ity famatsiam-bola maika ity dia hahafahana manome fanampiana ara-tsakafo, hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny tera-bao, hanatsarana ny fahadiovana, ary hanamboarana fantsakana hahazoana rano fisotro madio.
Nanatevin-daharana ny Ambasadaoro Pelletier ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mandritra ity fanambarana ity, ny Ambasadaoro izay nanasongadinana fa miara-dia toy ny « mpirahalahy mianala » ny Governemanta amerikana sy ny Governemanta malagasy amin’ny fiatrehana ny filan’ny fianakaviana ianjadian’ny hanoanana sy ny fanomezana vahaolana maharitra amin’ny tsy fahalavorariana ara-tsakafo any Atsimo sy Atsimo Atsinanan’i Madagasikara.
Vahoaka maherin’ny 14.000 tandidomin’ny mosary
Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny faran’ny volana mey teo izay notanterahan’ny manampahaizana manokana momba ny fanjarian-tsakafo roa mianadahy avy amin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) dia naneho mazava fa manahirana ny toe-draharaha ara-tsakafo hatramin’ny nanombohan’ny haintany tamin’ny taona 2014. Vahoaka miisa 14.000 farafahakeliny no efa tandidomin’ny mosary, ho ratsy dia ratsy ny vokatra ho avy, ary hiharatsy ny fahazoana sakafo amin’ny 2022.
Noho izany, ny vola mitentina 40 tapitrisa dolara atolotry ny governemanta amerikana amin’ny alàlan’ny USAID dia hamatsy ireo tetikasa tanterahan’ny mpiara-miombona antoka toy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Sakafo (PAM), ny UNICEF, ary ny Catholic Relief Services (CRS). Ny ampahany amin’ny famatsiam-bola omena ny PAM dia hikarakarana fanampiana ara-tsakafo maika, manomboka ny volana aogositra hatramin’ny oktobra ho an’ny olona 465.000 sy sakafo fanampiny hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny tera-bao miisa19.800, ary ny zaza miisa 63.400. Ny famatsiam-bola hafa dia hampiasain’ny PAM sy ny CRS hanomanana fanampiana ara-tsakafo mandritra ny maitso ahitra izay hanomboka amin’ny volana oktobra. Ny CRS koa dia hanangana sy hanamboatra vovon-drano eny anivon’ny fiarahamonina. Ny PAM sy UNICEF dia hanome fitsaboana ho an’ny ankizy miisa 57.000 ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony na mahery vaika. Ny UNICEF dia hanolotra rano fisotro madio sy hampiroborobo ny fahadiovana ho an’ny olona maherin’ny 100.000, ary ny PAM dia hikarakara sidina manokana hitondrana kojakoja fanampiny sy olona miandraikitra vonjy aina. Ireo tetik’asa ireo dia ho fanohizana ny fanampiana vonjy maika sy fampandrosoana efa vatsian’ny USAID vola any atsimo.
Nanao veloma ny Filoham-pirenena
Omaly, tonga nanao veloma ny Filoham-pirenena teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Masoivoho Amerikana Michael Pelletier rehefa avy niasa 2 taona sy tapany teto Madagasikara. Nankasitrahan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fandraisan’i Etazonia anjara mavitrika teo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fiatrehana ny hain-tany ary ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Nankasitraka manokana ny masoivoho Michael Pelletier koa ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fanohanany sy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta.
(Loharano: Masoivoho Amerikanina)




