Manokana Covid-19

DIABETA SY COVID-19: Efa misokatra ny ivon-toeram-pitiliana INSPC Befelatanana

Afaka manatona etsy amin'ny INSPC Befelatanana avokoa ireo misy diabeta, manao fitiliana, na tsy maneho soritraretina covid-19 aza.

Maro tamin’ireo olona manana aretina mitaiza toy ny diabeta, na ireo diabetika no tratran’ny faharariana mafy (forme grave) rehefa tratran’ilay valanaretina covid-19. Antsoina hoe marefo, araka izany izy ireny, noho ny tsimokaretina mora mahazo ny vatany. Mora maneho soritraretina koa izy ireny. Na dia efa maro aza ireo ivon-toeram-pitiliana nosokafan’ny fitondram-panjakana, afaka hanatonan’ireo olona manana ahiahy eo amin’ny toe-batany, sy ireo efa maneho soritraretina covid-19, dia nomena lanja manokana ireo olona diabetika. Saro-pady toy ireo manana aretina mitaiza rehetra izy ireny, ka raha ela fikarakarana ny marary dia mety hanano sarotra indray ny fitsaboana, raha tsiahivina. Mba hialana amin’ny mety ho filaharam-be teo aloha eo amin’ireo  manatona hatao fitiliana, sy mba hiavahan’izy ireo amin’ny maro dia nosokafana ny ivon-toeram-pitiliana manokana ho an’ny olona misy diabeta, etsy amin’ny “Institut National de la Santé Publique et Communautaire (INSPC) Befelatanana Mahamasina. Ireo olona manana diabeta ka mitondra karne voamarin’ny mpitsabo fa mila fitiliana maika, na avy amin’ireo CSB manerana ny faritra Analamanga (Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano, Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo), ity toeram-pitiliana covid-19 vaovao ity, araka izay nohamafisin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ity.

Nampahafantatra ny fitiliana covid-19 ho an’ireo diabetika etsy amin’ny INSPC Befelatanana ny Dokotera Manitra R.

Araka izany, misy ireo lamina napetraka mba tsy hampitarazoka ny fitiliana, fa indrindra tsy hanampy fahasahiranana ireo olona diabetika manahy ho tratran’ny tsimokaretina coronavirus izay. Fantatra ary, fa isaky ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 8ora maraina ka hatramin’ny mitatao vovonana, no handraisana azy ireo. notsindrian’ny dokotera Manitra, fa misy olona tsy mahafantatra ny tenany fa diabetika. Misy aza tsy te-hahalala ny tenany akory fa mitondra tsimokaretina amin’ny alalan’ny fisehon’ireo fambaran’aretina, amin’ny maha diabetika azy. “Mbetika lava velona ny olona diabetika, noho ny fahaizany mandanjalanja ny sakafo hohaniny, fa eo koa ny fanaovany fanatanjahan-tena matetika. Rehefa diabetika dia tokony hanatona io ivon-toerana io avokoa, hotiliana, na handray torohevitra ara-pahasalamana fotsiny aza, raha tojo fiiban’ny fitiliana”, nanamafy ny dokotera Manitra. Ho an’ireo ivon-toeram-pitiliana covid faobe, toy ny eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka dia mitohy hatrany. Fantatra fa eo amin’ny telo hatramin’ny efarana eo dia mivaly ny fitiliana ireo singa.

 

Fermer