Songadim-baovaoToekarena

KARIERA ANDILANA AVARATRA : Tsy maintsy irosoana ny fampidirana ireo mpitrandraka ao anatin’ny ara-dalàna

Nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ny delegasion'ny Ministera foibe tarihin'ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra izay tonga nijery ny tena zava-misy marina sy ho fikaroham-bahaolana ifotony ao amin’ny kariera ao Andilana Avaratra, ny zoma sy Sabotsy teo.

Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro, Prefen’Ambatondrazaka,  Sefo Distrikan’Amparafaravola, mpitandro filaminana OMC – EMMO, ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ireo Distrika rehetra tao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ireo Ben’ny tanana voafidy tao amin’ny Kaominina rehetra ao anatin’ny Distrika Amparafaravola, Mpikirakira sy mpividy vato, Tangalamena, tompon-tany sy tompon-davaka, ireo no niara-nikaon-doha tamin’ny Delegasion’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ny faran’ny herinandro teo. Fifampidinihana momba ny kariera beryl Andilana Avaratra no natao, ka tanjona ny hahafahana mampiditra ny vahoaka ao anatin’ny ara-dalàna sy hirindran’ny fandriam-pahalemana mba hahafahana manokatra izany kariera izany.

Nandritra ny fihaonana, niaiky ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra fa harena iombonan’ny Malagasy rehetra ny harena an-kibon’ny tany ary rariny raha misitraka izany ny Vahoaka malagasy. Ho an’ity Kariera ao Andilana Avaratra ity manokana anefa, ao anatin’ny tsy ara-dalàna ny asa fitrandrahana ataon’ny vahoaka, noho ny tsy fisian’ny fahazoan-dalana momba izany eo amin’io faritra itrandrahana io. Ireo Vahoaka ireo izay manatanteraka izany amin’ny fijerena ny ara-drariny, ka izany indrindra no tsy maintsy irosoana amin’ny fampidirana azy ireo ao anaty sehatra ara-dalàna.  Tanjona ny fikatsahana ny  hahazoana antoka ny tombontsoa sy tamberimbidy ary fampandrosoana ho entin’izany fitrandrahana izany ho an’ny rehetra.

Fananganana bokinandraikitra

Nandritra ity fihaonana ity, nisy ny fiaraha-mikaroka ny vahaolana manoloana ny fangatahana misesy ny amin’ny hanokafana ny kariera, mba hahafahana mamoaka tondrozotra iray hitantanana izany asa fitrandrahana izany, miainga avy amin’ireo tolo-kevitra voaray. Nivoitra tamin’izany fa samy mangetaheta ny hidirana amin’ny sehatry ny ara-dalana ny rehetra. Amin’izao fotoana izao dia mbola mandeha ny fifanolorana sosokevitra mahakasika ny lamina ho an’ny olona rehetra miantsehatra ao anatin’izany fitrandrahana izany. Isan’ny voaresaka tamin’izany ny fananganana bokinandraikitra ho an’ireo mpitarika vondron’olona hiasa eny amin’ny Kariera ( filaminana, fahadiovana, fandriampahalemana, teknikam-pitrandrahana,…). Eo koa ny fametrahana toerana iray hividianana vato ary ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny vidim-bato.

Kasaina ny hanaovana fari-pitrandrahana filamatra ity kariera Andilana Avaratra ity mikasika ny famahana ny olan’ireo kariera vaky manerana ny Nosy sy ireo mponina mirohotra manatona hitrandraka izany”, hoy ny fampitam-baovao. Tetsy ankilany, nankasitraka ary samy naneho ny fahavononany hanohy ny fandraisana andraikitra izay aterak’izao fifanomezan-tanana eo amin’ny samy olom-panjakana izao ireo mpitondra any an-toerana.

Fermer