PolitikaSongadim-baovao
FANORENANA VALAN-JAVABOAHARY AO AMIN’NY NOSY SAMBATRA: Manomana taratasy fanoherana halefa amin’ny Frantsay ny Fanjakana
Nandritra ny tatitra nataony teo anatrehan’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara omaly, tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra no nanambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriamatoa Liva Djacoba Tehindrazanarivelo, fa efa mamolavola taratasy fanoherana halefa any amin’ny Fanjakana frantsay ankehitriny ny Fanjakana malagasy, manoloana ny fanorenan’ny Frantsay valan-javaboahary ao amin’ny Nosy Sambatra.
Na teo aza ireo hetsika maro efa natao tato anatin’ny taona vitsy farany mahakasika ny fitakiana ireo Nosy Malagasy, ny 10 Jona teo, dia mbola nisy ny didim-panjakana navoakan’ny Frantsay momba ny fanorenana valan-javaboahary voaaro ao amin’ny Nosy Sambatra. Fanapahan-kevitra izay efa notoherina tamin’ny 18 Mey tamin’ny taon-dasa. Manoloana izany, nilaza ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriamatoa Liva Djacoba Tehindrazanarivelo, fa efa manomana taratasy fanoheran halefa amin’ny Fanjakana frantsay ny Malagasy ankehitriny. Etsy ankilany, misy koa ny “famolavolana valin-kafatra sy paikady manoloana ny fananganana valan-javaboahary voaaro amin’ny Nosy voalazan’ny Firenena Mikambana fa an’i Madagasikara”, araka ny fanazavana. Manoloana ny fanambaran’ny olona sasany fa tsy handrenesam-peo ny Fitondram-panjakana manoloana ity raharaha ity, izay misy mandika ho firaisana tsikombakomba amin’ny frantsay, dia nilaza ny Minisitra fa “Tsy misy ny silence complice amin’ny Fitondram-panjakana”. Izany hoe, tsy miray tsikombakomba amin’ny Fanjakana Frantsay mihitsy ny Fanjakana Malagasy amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Efa fantatry ny Frantsay rahateo, hoy izy, ny fitakiantsika an’ireo Nosy ireo nandritra ny taona maro ka tsy hisy mihitsy endrika firaisana tsikombakomba azo eritreretina.
Dingana maro efa natao
Raha tsiahivina, taorian’ny “Dinika Nosy Malagasy” izay natao tamin’ny Desambra 2019, anisany dingana efa nataon’i Madagasikara, ny 21 Febroary 2020, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, sy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovainjafy, ny fanehoana tamin’ny fomba ofisialy ny fanoherantsika ny fametrahana ireo Nosy Malagasy efatra ho isan’ny valan-javaboahary an-dranomasina voaaro frantsay, ao amin’ny “Atlas des aires marines protégés de la Région de l’Océan Indien Occidental (Convention de Nairobie)”. “Hampidirina amin’ny pejy voalohany mialoha ny toko natokana ho an’i Frantsa amin’ny Firaketana (Atlas) io fanoherana io, izay hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny 16 Jolay izao”, hoy ny tatitra. Isan’ny dingana efa natao koa ny fampiantsoana ny Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto amintsika, ny 18 Mey 2020, nanoherana ny fikasana hametraka valan-javaboahary ao amin’ny Nosy Sambatra. Mbola nohamafisin’ny fanambaran’ny Antenimieram-pirenena izany, ny 22 Mey 2020. Ny 09 Jona 2020, nisy ny fampitàna tamin’ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikanina, ary ny SADC, ny fanoherana ny vina frantsay, sy fangatahana fanohanana. Nahazo ny fanohanan’ny SADC kosa isika, tamin’ny alalan’ny CMO, mahakasika ny fitakiana ireo Nosy ireo, ny 26 Jona 2020. Ankoatra ireo, sehatra iraisampirenena maro no efa nandefasan’ny Fanjakana malagasy fampahafantarana mahakasika ny fitakiana ireo Nosy bodoin’ny Frantsay ireo, ary niantsoana fanohanana.



